ZAVA-POANA...

Nampidirin'i dadarabe | 2 Jol, 2009

 

"Zava-poana dia zava-poana, hoy ny mpitoriteny, eny, zava-poana ny rehetra !" (Mpitoriteny 12:8)


Indraindray ny fahanginana...
Manjary misy feo
Anaty toa tsy heno,
Nefa toa milaza
Anaty saina lalina,
Anaty fo fanahy, (tohiny)

TSY AMIDY NY FANAHY !

Nampidirin'i dadarabe | 30 Jio, 2009


Na harena, volamena no alendalenda anao,
Na izao tontolo izao…
Eny, dera, voninahitra sy laza be dia be
Mivangongo rehareha…
 (tohiny)

MIFANKATIAVA IHANY !

Nampidirin'i dadarabe | 18 Feb, 2009


Mifankatiava ihany
Raha mbola velona aina
Tsy misy toy izany ny mampifaly saina
Ny maty efa lasa
Tsy azontsika antsoina
Isika no mikasa
Ny ratsy hadinoina re
Ny maty efa lasa
Tsy azontsika antsoina
Isika no mikasa
Ny ratsy hadinoina
 (tohiny)

IZA NO TIANAREO 2 SA 8 ?

Nampidirin'i dadarabe | 16 Feb, 2009

Iza no tianareo 2 sa 8 ? Hoy ilay zanako vavy 6 taona.

- Raha mamaly 2 ianao dia hoy izy hoe : TGV izany no tianao.

- Raha mamaly 8 ianao dia hoy izy hoe Ravalomanana.

Fa nahoana hoy aho ?

Satria i TGV manao 2 foana amin'ny tanany (ilay TGV manao "V" amin'ny tanany iny).

Satria i Ravalomanana 8.

Dia izay ilay tantara.

Tsy hanontany anareo aho hoe iza no tianareo 2 sa 8 fa dia anareo no mamaly any an-tsaina.

DadaRabe

 

VILAM-BAVA !

Nampidirin'i dadarabe | 12 Feb, 2009


‘Ndeha hitady rariny sy koa mangarahara !
Inona no lalana ? Mangalatra pouvoir !
‘Ndeha isika hanohitra ny didin’olon-tokana !
Inona no lalana ? Mandroba sy mitokona !

‘Ndeha hitondra marina ny tena fahafahana !
Inona no atao ? Asivo fangalarana !
‘Ndeha isika hilaza ny marina an-gazety !
Inona no atao ? Darohy ireo izay tsy mety !

‘Ndeha hahindrahindra ilay demôsy kirasia !
Ahoana no atao ? Poteho ‘reo ‘zay tsy tia !
‘Ndeha mba hampandroso ny tanindrazantsika
Ahoana no atao ? Vonoy izay tsara bika !

Hoy ho hoe :

‘Ndeha manova fenitra fa tena vilam-bava !
Fa mila fifidianana vao miakatra pouvoir !

DadaRabe
12/02/09

1 2 3 ... 22 23 24  Manaraka»