RATSIMANDRAVA

Nampidirin'i dadarabe | 11 Feb, 2013

RATSIMANDRAVA

« Nandroso ny môtô,
Nihemotra i 4L
Nitifitra i Zimbô
Ka maty Ra-Colonel ».

Mbola kely izahay tam’izany,
Tsy nahalala ny eto an-tany,
Fa mihaino ireo olobe,
Nilaza sy nampandre :

Fa nisy hono lehilahy,
Niroso tsy niahiahy ,
Minisitry ny ala-olana,
Nikaroka vaha-olana.

Handrava mpanjana-tany,
Tsy hanaiky intsony izany,
Ka dia ny fokonolona
No fototra mba ho tolona.

Izy tsy niamboho adidy,
Fa roso ary nisafidy,
Ny lalana tena sarotra,
Tsy azo niadiana varotra.

Tsy zakan’ireo mpanjanaka,
Hoe izy hanasoa taranaka,
Fa ho azy ireo ny harena,
Dia azy ka tsy azo ekena !

Nitsangana i Tsimandrava,
Vonona handrani-tava,
Ka hay teo Ambohijatovo
Dia latsaka tao am-bovo.

Tsy ho adino ao am-pon’ny maro,
Izaho koa eto mahatsiaro,
Fa nisy hono lehilahy
Nijoro ka tena sahy !

« Nandroso ny môtô,
Nihemotra i 4L
Nitifitra i Zimbô
Ka maty Ra-Colonel ».

DadaRabe
11/02/13 15 :49

 

NB = Mpanjana-tany amin’ny endriny vaovao no resahina.

I KOTO SY I KETAKA (Adiadin’ny mpifankatia)

Nampidirin'i dadarabe | 10 Feb, 2013

I KOTO SY I KETAKA (Adiadin’ny mpifankatia)

Avia indry ry Ketaka f’izaho ange be vola !
- Avy taiza indray ? Nalaina tamin’i Mbola ?
Tsy vola nangalarina fa latsaka tsy nahy,
Izy no adala nanary, tsy mahay !

Avia indry ry Ketaka f’izaho nahazo fiara !
- Io indray i Koto fa mandika ‘zay voarara !
- Zavatr’olona io ! Nahoana no nalaina ?
- Vidin’asan’olona ka tonga dia gejaina ?

Avia indry ry Ketaka f’ izaho no tena rôla !
Izaho tsy nilalao dia tompon-daka tam’baolina,
Voadaka ny arbitra, naratra ireo zoera,
Ireo izay nihazakazaka natosiko nianjera !

- Aoka re ry Koto ! Ianao ve lasa adala e ?
- Manao barofo foana, minia tsy mahalala !
- Mba misy anie ny rariny, mba saino kely monja !
Mangina indry ry Ketaka sao hiditra any am-ponja !

Tsarovy izao ry Ketaka ary aleteho an-tsaina !
Ny ahy mirevy foana, mitraina sy midaina !
Mandihy dia milalao …Tafita foana aho !
Na iza anie tsy ho faly, izay tiako no atao !

Izaho tsy miraharaha ! Izaho no sefo be !
Raha te handeha i tena, dia betsaka no te…
- Tandremo ihany ry Koto, ny ratsy mitampody !
- Fa misy Zanahary, misy tsiny, misy tody !

DadaRabe
10/02/13  17 :35

I KOTO SY I KETAKA (Tao an-tsekoly)

Nampidirin'i dadarabe | 8 Feb, 2013

I KOTO SY I KETAKA (Tao an-tsekoly)

- Haninona ry Koto ianao rehefa lehibe ?
Prezidà no ataoko, be vola io ramosé !
- Ary ianao ry Ketaka, mba inona no ho atao ?
Ho vadin-draprezy no tena tiako izao !

- Dia nona no atao mba ho prezidà ?
Manongam-panjakana ampian’i komandà !
- Avy iza re ny vola hanaovana an’izany ?
Avy any "bla bla” sy gasy be vinany !

- Dia politika ahoana no tianao hatao ?
Ilay mangorom-bola dia manana birao !
- Dia inona ary re no asa fandaharana ?
Manondrana hazoala f’izay no famokarana !

- Aiza ianao no hanondrana, moa azonao ambara ?
Any an-dafy ihany fa any be dolara !
- Dia inona no soritra sy tetika fitaratra ?
Mampirevy hatrany ! Ny ankizy tsisy mianatra !

- Dia ahoana ireo vahoaka tarihinao ry Koto ?
Omena revin-gadra na ny hendry na ny boto !
- Raha misy tetika hafa, lazao anay anie !
Mi-dance daholo ny kely sy lehibe !

- Ary ny an’i Ketaka lazao ny sitrakao ?
Mampiaraka am’i Koto, miankanjo vaovao !
- Dia inon’avy koa ‘reo hitanao fa mety ?
Volamena maro dia fiara be mirenty !

- ‘Ndeha mianatra ry Koto fa aza be hanihany !
Tsia ! tsy izany fa “revirevy” hatrany !
- ‘Ndeha mianatra ry Ketaka raha mba te ho tafita !
Tsia ! tsy izany f’aleo mamboatra bika !

DadaRabe
27/01/13

ZARAKO AZA IANAO !

Nampidirin'i dadarabe | 8 Jan, 2013

ZARAKO AZA IANAO !

Zarako aza ianao miteny mafy ahy,
Manindrona fanahy,
Tsy mila tambitamby fa mila kisa koa…
Kanefa avy eo tso-po !

Zarako aza ianao masiaka vao maraina,
Mahaketraka ny saina,
Tsy misy andraso andraso, tsy mifidy teny…
Kanefa avy eo malemy !

Zarako aza ianao midongy tolakandro,
Mahamatroka ny andro,
Ka hila hahatorovana sy hampihidy vazana…
Kanefa avy eo fitiavana !

Zarako aza ianao manao ohatran’izany
« Raha » vetivety ihany…
Toy izay hoe mody tsotra sy tena mahay miangoly…
Kanefa avy eo devoly !

DadaRabe

PASKA FAMONJENA !

Nampidirin'i dadarabe | 24 Apr, 2011

PASKA FAMONJENA !

Hira avy amin’ny fo no atolotro ho anao
Izao Paska izao !
Andro famonjena nomen’i Jesoa Tompo,
Fitiavany inoako !
Dia hira fifaliana fa olom-boavonjy,
Noho ilay zanak’ondry !

Kalo tsara indrindra no ho zaraiko eto,
Ary dia omeko…
Noho ilay Jesoa voahombo novonoina,
Mba hisolo voina !
Fa Izy no mpamonjy antsika tsy ho very,
Fitiavany mahery !

Tononkalo iray no hifampizarana,
Handrava fangejana !
Fa ny ota mahamay namatotra antsika
No tapaka, nipiaka !
Dia horedonintsika ilay hiran’ny hosana !
Jesoa no Fiderana !

DadaRabe
18/04/11   21:24

 

RY VOLANA !

Nampidirin'i dadarabe | 1 Mar, 2011

Ry volana mirehitra,
Mamiratra aok'izany !
Mazava sy manjelatra,
Mampiakatra vinany.

Rivo-dranomasina
Mitsoka miantsinanana,
Mifono zava-miafina
Sy nofinofy lalina !

Fa any lavitra any
'Reo havana sy namana,
Izaho an-tsesitany
Noho ny tsy fananana.

Ry volana baliaka
Na irery aza aho aty,
Mahita anao sariaka
Dia ravo...mankafy !

DadaRabe
16/02/11 21h30

 

Ô RY ZENEVIEVY !

Nampidirin'i dadarabe | 11 Feb, 2011


Oay ! Mijery ny endrikao aho dia lasa revirevy,
Ô ry Zenevievy !
Sy ireo takolakao bolangina aok’izany
Ka te hanongo hatrany !
Ireto masonao manganohano soa,
Manintona tokoa !

‘Ndeha ho aiza ity ianao no maika tahak’izao ?
Sa mbola hilalao ?
Tsy aleo mitodi-doha ? Mamonjy ny ao an-trano ?
Fa ndrao mahita angano !
Fa tato ho ato anie, korontana ny tany,
Jiolahy no betsaka any !

Oadray re Zenevievy ! Aza dia mafy loha !
Sy manamafy fo !
Ny ray aman-dreninao efa hila ho lasa adala !
Ianao tsy te hahalala !
Fa dia midola ihany, manaram-po miliba
Sy tia manivaiva !

Mitazana anao eto aho ry Zenevievy !
Dia tapaka ny revy !
Fa te hiteny be, manahy ny ho avinao !
Variana loatra ianao !
Ka indro aho very dia sy toa mitebiteby !
Miovà ry Zenevievy !

DadaRabe


RAHA MBA IZAHO HONO !

Nampidirin'i dadarabe | 8 Feb, 2011

 

Raha mba izaho hono no ho lasa voronkely,
Hisioka fifaliana,
Hihira sy sondriana,
Hikalo ho anao…am-baravarankely,
Rehefa marain’andro !
Miposaka masoandro !

Raha mba izaho hono no ho lasa voninkazo,
Otazanao an-kanto,
Orohanao milanto,
Voakarakaranao, koloinao tsy halazo,
Ho lasa kilalao…
An-doha fandriananao ! 

Raha mba izaho hono no ho lasa nofinofy
Anatin’ny fonao,
Toa aina vaovao,
Ho entinao mandresy ireny rofirofy,
Hanjary tsy handao…
Sy ho lasa fiainanao !

Raha mba izaho hono…

DadaRabe



TRATRY NY TAONA !

Nampidirin'i dadarabe | 1 Jan, 2011

 

Ny irariako ho anao
Dia taona vaovao…
D’ilay nandrasanao
Ho amin’ny fiainanao !

Ho taona fiovàna !
Ho taona fihatsàrana !
Ho feno fifaliana !
Ho tojo izay iriana !

Hidera ilay Mpahary !
Hikalo ny voahary !
Hiventy ny hosana !
Hihira fiderana !

Ho fahasalamana !
Ho tsiky sy hafanana !
Ho ambinina harena !
Hahazo izay kendrena !

Hitsinjo ireo mahantra !
Hizara ary hihantra !
Hamita asa soa !
Hitondra mamy koa !

Ny faniriko ho anao
Dia taona vaovao….
Ho tena fahasambarana !
Ho Taonan’ny « Fitiavana » !

DadaRabe
01/01/11        0 :01

ZOKIBE RAOUL !

Nampidirin'i dadarabe | 4 Sep, 2010

Lasa ianao r’ingahy Raoul…
…Nandao ny fokonolona
Ary ‘ndeha hitety indray,
Ilay habakabaka milay !

Nefa hotsarovana eto,
Ny hira manja tsy an-kisento :
Toy ilay « somambisamby »
Hirahiram-pianakavy !
 (tohiny)

TSAROVY !

Nampidirin'i dadarabe | 6 Sep, 2009

Raha hitanao indray mihiratra ny andro,
Mazava ny masoandro,
Tsarovy ireo maraina…
Niarahana niria, nahamirana ny saina.
 (tohiny)

NY MASONAO MIJERY

Nampidirin'i dadarabe | 4 Sep, 2009


Ny masonao mijery,

Mifono mistery,
Ny tsiky kelinao,
Ao an-tsaiko ao…
Toa tsy mety handao, mamikitra aok’izany !
Taratra tsy miala, mirehitra tsy ho lany !
 (tohiny)

ILAY VARAVARANKELY (Valin-kira ho an’i DOX)

Nampidirin'i dadarabe | 29 Aog, 2009



ILAY VARAVARANKELY (Valin-kira ho an’i DOX)

Fahazaranao ny mandalo eo sy mitazana azy
Dia mamazivazy…
Sy mankafy ny hakantony…fahasambaranao,
Anjely milalao,
Mitsiky ka mitsiky,
Tsy aritrao mihitsy !
 (tohiny)

NY VARAVARANKELINAO (Tononkalon'i DOX)

Nampidirin'i dadarabe | 26 Aog, 2009

 

Mandalo eo matetika aho, dia manjary fahazarako
Ny mahita anao mitazana eo am-baravarankely
Fotoana fohy fifaliako, fotoana fohy fahasambarako
Eo ny endrikao mitsiky, mitsikitsiky toa anjely.

Mandalo eo matetika aho dia mitraka hatrany hatrany,
Mino fa hahita anao, dia mahita anao tokoa !
Tsy hita intsony ny hafaliako sy hasambarako amin’izany
Fa manenika fanahy, mahatototra ny fo…

Andray izay fahatairako, nandalo teo aho izao…
Nikatona àry fa nahoana, ny varavarankelinao ?
Nitanondrika ny fo, ny fanahy nangenahena…

Nanohy nandalo ihany aho, tsy nivoha hatramin’izao,
Angamba tsy hivoha intsony, ny varavarankelinao.
Mitanondrika ny fo, manomboka tsy hanantena.

Dox

INDRISY MANTSY RY MALALAKO (Tononkalon’i MIRANTSOA)

Nampidirin'i dadarabe | 20 Aog, 2009



"Indrisy mantsy ry malalako"
Hoy ianao niteny,
"Tsy haiko ny hanakatr'
Ireny anatrao ireny"
Dia nikimpy izy nandroso
Nandao 'lay olon-tiany
Ka nikatona ny pejy,
Narakotra ho fahiny.
 (tohiny)

AZA KAROHINAO

Nampidirin'i dadarabe | 3 Aog, 2009



Aza karohinao izay momba ny fiainany,

Na ireo fanaintainany

Na ireo fifaliana afeniny ao am-po,
Tandroviny tokoa
Ka tsy tiany aseho
Sy tsy asiany feo.
 (tohiny)

MALAGASY versus MAANYAN (Bornéo, Indonezia)

Nampidirin'i dadarabe | 15 Jol, 2009




Efa niresaka teto momba ny fiavian’ny malagasy aho
. Androany kosa dia hiresaka momba ireo voambolana maro itovizan’ny teny malagasy sy maanyan.

 (tohiny)

NY NOFINOFINAO

Nampidirin'i dadarabe | 11 Jol, 2009




Ny nofinofinao no entiko miaina
Sy entiko misedra ny andro be migaina
Ary ireo hariva mangitsy, mamanala…
Ekeko an-tsitrapo, lalaiko tsy an-kisala,
Ventesiko raha alina,
Any an-torimaso lalina.
 (tohiny)

ZAVA-POANA...

Nampidirin'i dadarabe | 2 Jol, 2009

 

"Zava-poana dia zava-poana, hoy ny mpitoriteny, eny, zava-poana ny rehetra !" (Mpitoriteny 12:8)



Indraindray ny fahanginana...
Manjary misy feo
Anaty toa tsy heno,
Nefa toa milaza
Anaty saina lalina,
Anaty fo fanahy, (tohiny)

TSY AMIDY NY FANAHY !

Nampidirin'i dadarabe | 30 Jio, 2009



Na harena, volamena no alendalenda anao,
Na izao tontolo izao…
Eny, dera, voninahitra sy laza be dia be
Mivangongo rehareha…
 (tohiny)

MIFANKATIAVA IHANY !

Nampidirin'i dadarabe | 20 Mar, 2009




Mifankatiava ihany
Raha mbola velona aina
Tsy misy toy izany ny mampifaly saina
Ny maty efa lasa
Tsy azontsika antsoina
Isika no mikasa
Ny ratsy hadinoina re
Ny maty efa lasa
Tsy azontsika antsoina
Isika no mikasa
Ny ratsy hadinoina
 (tohiny)

IZA NO TIANAREO 2 SA 8 ?

Nampidirin'i dadarabe | 17 Mar, 2009

Iza no tianareo 2 sa 8 ? Hoy ilay zanako vavy 6 taona.

Tsy hanontany anareo aho hoe iza no tianareo 2 sa 8 fa dia anareo no mamaly any an-tsaina.

DadaRabe

 

VILAM-BAVA !

Nampidirin'i dadarabe | 14 Mar, 2009




‘Ndeha hitady rariny sy koa mangarahara !
Inona no lalana ? Mangalatra pouvoir !
‘Ndeha isika hanohitra ny didin’olon-tokana !
Inona no lalana ? Mandroba sy mitokona !

‘Ndeha hitondra marina ny tena fahafahana !
Inona no atao ? Asivo fangalarana !
‘Ndeha isika hilaza ny marina an-gazety !
Inona no atao ? Darohy ireo izay tsy mety !

‘Ndeha hahindrahindra ilay demôsy kirasia !
Ahoana no atao ? Poteho ‘reo ‘zay tsy tia !
‘Ndeha mba hampandroso ny tanindrazantsika
Ahoana no atao ? Vonoy izay tsara bika !

Hoy ho hoe :

‘Ndeha manova fenitra fa tena vilam-bava !
Fa mila fifidianana vao miakatra pouvoir !

DadaRabe
12/02/09

NY FIALONANA, FANKAHALANA, FITSIRIRITANA

Nampidirin'i dadarabe | 6 Mar, 2009

Na inona na inona ataontsika, na aiza na aiza misy antsika, na inona na inona firehantsika : Ny fialonana, ny fankahalana, ny fitsiriritana dia loza mitatao !

DadaRabe



NY FIALONANA, FANKAHALANA, FITSIRIRITANA

Ny fo feno fialonana
Ary tsy mahay mionona,
Eny !  Manantena foana
Ny an’ny hafa eo anoloana…
Dia toy ireny harafesina mandavaka ny vy,
Mahatonga fahalovana, mandrotika ny tsihy

 (tohiny)

DEMOKRASIA HAFAKELY

Nampidirin'i dadarabe | 3 Mar, 2009




Handrodana satria…
Mamy ery ny seza !
Ka lendalenda erỳ !
Fa may ny  te ho ngeza !

Handrodana hatrany !
Matsiro be ny saosy !
Hangarona vilany !
Hameno ny sakaosy !

Hianjera izay hianjera !
Ho rava izay ho rava !
Fa izy mila afera,
Fa izy mila drala !

Ampio aho rey vahoaka !
Fa mila tosi-tanana !
Vonjeo aho rey vahoaka !
Fa sao dia tapa-tanana !”

Handrodana aho vahoak’ô !”
………………………………
Kanefa hatram’izay,
Ny hany mba napoaka ?
…Tsy misy na dia iray !

DadaRabe

RIVO-PANDRAVA

Nampidirin'i dadarabe | 25 Feb, 2009




Raha ny fandrobana sy ny fandravana,
Mitondra dinamita, manapaka tetezana,
No lasa  ho filamatra, hitondra ny tanàna
Dia tena kivy aho fa sarim-pahaverezana,
Tantara efa naloa,
Nariana tany aloha
Kanefa dia izany
No hitantsika androany.
 (tohiny)

TAMBOLIN’NY FOTOANA

Nampidirin'i dadarabe | 16 Jan, 2009




Misy indraindray…vaka ny aty saina,
Hila tsy ho avy miana !
Fa entin’ny eritreritra manidina ambony,
Manjary tsy mitony…
Misankodinkodina ny omaly sy ny androany
Ary koa ny ampitso…dia mifangaro izany !
 (tohiny)

AMORON-DRANOMASINA

Nampidirin'i dadarabe | 2 Nov, 2008

Miarahaba,

Manao veloma vetivety aloha fa hisinda any amoron-dranomasina any ny tenanay. Ity misy tononkalo fahiny teny Ramena. 20km avy eo Antsiranana. Tora-pasika mahafinaritra tokoa. Mitahiry fahatsiarovana be dia be. Ny fahazazana, ny fahatanorana...
Raha manam-potoana aho dia ho any. Ho tantaraiko anareo !
Ity misy tononkalo fahatsiarovana, nosoratana 18 taona lasa izay ! Mandeha ny fotoana rey olona !


  (tohiny)

TAPITRA

Nampidirin'i dadarabe | 1 Nov, 2008


TAPITRA


Tapitra na tiana hitohy ireny hira
Sy angano sy arira,
Tapitra sy dify toa volam-pararano...
Mangina ny ato an-trano.
 (tohiny)

DELIRA !

Nampidirin'i dadarabe | 28 Okt, 2008


DELIRA !


Nitabataba mafy izy hoe « misy mpaka fo ! »
Dia misy mpihinan’olona, dia misy matoatoa,
Mahakoditra daholo, hono, izay hita teny ho eny,
Hatramin’ny sarivato manjary toa miteny !
 (tohiny)

MANIMANINA AHO ZAREO !

Nampidirin'i dadarabe | 24 Okt, 2008


MANIMANINA AHO ZAREO !



Manimanina aho zareo !
Iny tanindrazako iny !
Ka ny foko no toreo,
Mitanisa ny fahiny…
‘Njao mitazana iny lanitra sy kintana eny ambony,
Sentosento anie izany ! Ny alaheloko tsy tony !
 (tohiny)

IRENY TONONKALO !

Nampidirin'i dadarabe | 19 Okt, 2008


IRENY TONONKALO !

Ireny tononkalo
Dia antsa anaty fo,
Sy vazo soa mandalo
Manenika ny loha ! (tohiny)

TONONKALO HO AN'I RADO (Georges Andriamanantena)

Nampidirin'i dadarabe | 16 Okt, 2008

Ho fahatsiarovana an'i Rado izay lasa nandao antsika.

Na lasana aza izy dia tsy maty satria mipetraka ao am-pontsika ny fahatsiarovana azy.

Ity misy tononkalo iray natolotro azy fony faha-80 ny taonany.

 

 (tohiny)

MILALAO BALOM’

Nampidirin'i dadarabe | 14 Okt, 2008

MILALAO BALOM’



Vizana i dada,
Reraka i neny,
Fa izy dradradradra,
Tsy misy mba ekeny.

Fa inona no tiany ?
Tsy fantatra mihitsy !
Ny an-tanany ariany,
Na maro ireo na vitsy.
 (tohiny)

AVIA ETO ANILAKO !

Nampidirin'i dadarabe | 30 Sep, 2008



AVIA ETO ANILAKO !



Ry tiako,

Eny mety ho henjana ny fiainantsika akia !
Misy ny tsy rariny, misy ny tsy tia,
Ny lalana diavina tsy mora foana koa,
Ireny faniriana dia maro no tsy to !
 (tohiny)

HENOKO INDRAY !

Nampidirin'i dadarabe | 27 Sep, 2008



HENOKO INDRAY !



Henoko indray ilay fitiavako iny,
Fitiavako fahiny,
Fa tsikinao nandalo iray minitra monja…
Dia indro fa nanonja,
Ilay hiaka ato anaty
Nataoko ho efa maty !
 (tohiny)

MISY LASA BIBY...

Nampidirin'i dadarabe | 23 Sep, 2008

Tena maro izay zavatra nampalahelo hita sy heno tetsy sy troa izay tao ho ao. Ny farany teo dia ilay zazavavy kely hita tery Anjanahary. Tena mahavaky fo sy mampiteny hoe "Misy tena efa lasa biby ve ny olona é!"

 (tohiny)

SAMBATRA !

Nampidirin'i dadarabe | 26 Aog, 2008


SAMBATRA !

Sambatra ny fiainako fa manana anao,
Tsy miova, tsy mandao…
Na andro lohataona, na alina ririnina,
Ianao azoko iankinana,
Hitantana ny dia,
Ety an-tany ety !
 (tohiny)

MITANDREMA ISIKA !

Nampidirin'i dadarabe | 16 Aog, 2008


MITANDREMA ISIKA !

Mitandrema isika !
Ny tany diavintsika anie ka feno fikafika,
Feno fitapitaka...
Dia fotaka mandrevo sy loza miparitaka.
 (tohiny)

Miarahaba (Mitondra sary vitsivitsy)

Nampidirin'i dadarabe | 13 Aog, 2008

Miarahaba ny rehetra,

Tsy dia misy vaovao fa dia faly miarahaba antsika rehetra.

Misy sary vitsivitsy ireto :

- Sary Mahajanga

- Sary St Denis

Izay indray aloha

 DadaRabe


Rabe Andriamanarivo Paoly

VELOMA VETIVETY (12/04/08)

Nampidirin'i dadarabe | 11 Apr, 2008

 (tohiny)

AZA AMPIJALIANA NY TENINTSIKA (DdRb)

Nampidirin'i dadarabe | 8 Apr, 2008

Miarahaba,

Ity misy lalàna vitsy momba ny teny malagasy nalefan'ny reniko ho ahy (Mme RABE Paule, mpampianatra malagasy) efa ho taona maromaro izay. (lavalava ihany an!) :

DdRb (tohiny)

TONGA SOA I MALALA

Nampidirin'i dadarabe | 4 Apr, 2008

Miarahaba,

Tsy afaka nitsidika blaogy tato ho ato é! tsy izany fa tonga soa ao an-tranonay tamin'ny herinandro lasa teo i Malala RABE. Zazavavy kely izy.

Jehovah Andriamanitra anie hitahy azy aminy fiainany rehetra !

Izay aloha fa hiverina eo ihany !

DadaRabe

 (tohiny)

Tsara be ilay soso-kevitr'i Lap izay efa nolazain'Ikalamako koa

Nampidirin'i dadarabe | 28 Mar, 2008

miarahaba,

Somary be erehina be aho io fa miverina eo ihany.

Mahafinaritra be ireo soso-kevitra momba ny teny malagasy. "Aza ampijaliana" hoy ireo namana.

Miverina eo ihany aho fa mbola hazakazaka be.

Manantena antsika rehetra satria ny asa vadi-drano tsy vita tsy hifanakonana !

Vetivety monja !

DadaRabe

AKAIKIKAIKY PASKA ‘TY ANDRO

Nampidirin'i dadarabe | 21 Mar, 2008

Akaikikaiky paska ‘lay andro,
Voairaka  teo Petera Sy Rajaona,
‘Ndana malaky anie 'nareo mahandro !
Mofo mba hohanintsika f’efa noana !

Nipetraka mba hihinana zareo,
Io fa nandray kapoaka koa ny Tompo,
Ary niteny farimparim-peo,
Rako io ka ndao malaky mba hisotro !
 (tohiny)

Tantaran'i ZAKILININA SY DIDINTSOKINA

Nampidirin'i dadarabe | 19 Mar, 2008
Miarahaba,

HO tohin'ny tantara dia nisy koa ireo namana hafa toa an-dry Zakilinina, Didintsokina, Ketamanga, Lezo, sns.

ZAKILININA SY DIDINTSOKINA

Zakilinina sy Didintsokina:
Ny iray matavy, ny iray bebokona,
Tratra nitsindroka voamadilo,
Voasazy nipetraka tam’tsilo!
 (tohiny)

ALINA RIRININA (Tempête de neige eto St Pierre)

Nampidirin'i dadarabe | 18 Mar, 2008


Tempête de neige manadala eto St Pierre amin'izao ora anoratako izao (0:04). Naka sary kely aho teo saingy tsy afa-mivoaka any ivelany fa dia teo am-baravaran-kely ihany.

 

DdRb

ALINA RIRININA (Tempête de neige eto St Pierre)

Tanatin’iny alina sy rivotra mifofo,
Niainako ny irery,
Vovo-dranomandry mifafy tora-jofo,
Mandrakotra an-kery
Ny voahary manontolo…
…Jenjin-korohoro.
 (tohiny)

I KOTO SY I KETAKA (Tao an-tsekoly)

Nampidirin'i dadarabe | 17 Mar, 2008

Miarahaba,

Betsaka moa ireo namana tany an-tsekoly. Isan'izany ary Koto, Ketaka, Bozy, Zakilinina, sns. SAmy manana ny tantarany daholo izy ireny ary samy manana ny nofinofiny. Koto sy Ketaka dia isan'ireny tao an-tsekoly.

I KOTO SY I KETAKA (Tao an-tsekoly)

- Haninona ry Koto ianao rehefa lehibe ?
Minisitra no ataoko, be vol’io ramosé !
- Ary ianao ry Ketaka, mba inona no ho atao ?
Ho vadi-na minisitra no tena tiako izao !
 (tohiny)

IANAREO TELOVAVY

Nampidirin'i dadarabe | 13 Mar, 2008


IZA NO TIAKO ?

Iza no tiako ‘nareo telovavy ?
Ny eo afovoany fa matavitavy !
Iza no manja sy mahafatifaty ?
‘Zay be takolaka no iriako mafy !
 (tohiny)

IZA MOA I DADARABE ?

Nampidirin'i dadarabe | 11 Mar, 2008


RABE Andriamanarivo Paoly

Nahoana no DadaRabe ?

IZAHO (DdRb) sy IANAREO (namana)

CV DadaRabe

IZY INDRAY ANTSOINA !

Nampidirin'i dadarabe | 10 Mar, 2008

Izy indray antsoina...

...Raha hitanao fa izy no afaka hampitony
Ny fahanginanao,
...Raha toa efa izy no felana mamony
Sy fahasambaranao.

...Raha tsapanao fa any no volana baliaka
Mazava sy manjelatra,
Ka afaka ampihiratra ny endrikao sariaka,
Hiakaranao ny sehatra.

 (tohiny)

SARY RIRININA St Pierre et Miquelon 2007-2008

Nampidirin'i dadarabe | 10 Mar, 2008

Miarahaba,

Rohy mankany amin'ireo sary rehetra.

Indreto misy sary vitsivitsy maneho ny ririnina eto St Pierre. Tsy mbola vita akory ny ririnina fa na dia izany aza efa mba azoazo kokoa izao.

DadaRabe (tohiny)

MIARAHABA NY ANDRIAMBAVILANITRA

Nampidirin'i dadarabe | 8 Mar, 2008


Dia miarahaba ny ANDRIAMBAVILANITRA rehetra amin'izao 8 mars izao. MIrary anareo hahita ny soa sy ny meva amin'izao fiainana izao.

DadaRabe

Ity misy hirahiran'i LOLA : "NY VEHIVAVY" ho zaraina amintsika. (tohiny)

IZAHO TSY NIOVA AKORY…

Nampidirin'i dadarabe | 5 Mar, 2008


Izaho tsy niova akory fa toy ilay fantatrao
Fotoana maro izay…..ny ora no nandao,
Ny andro no nisolo, ny endrika no niova
Nodiavin’ireo taona, narirariran’onja.

Izaho tsy niova akory fa mbola adaladala,
Vao mahita anao dia tsy mba mety miala
Fa mbola dobodoboka ny foko faly erỳ !
Toy ireny vanton-jaza vao mianatra fitia.
 (tohiny)

ILAY AMPITSO

Nampidirin'i dadarabe | 3 Mar, 2008


Manofy ilay ampitso mamerovero fatratra,
Manofy lendalenda, diavolana tomaratra,
Manofy taona zina sy fararanom-bokatra,
Manofy tojo tanjona, tafakatra ny tohatra,

Manofy fahasambarana, fotoana paradisa,
Manofy fisantarana ny mamy tsy hita isa,
Manofy lohataona ravaham-boninkazo,
Manofy andro miratra ventesim-bazovazo,
 (tohiny)

IZAHO (DdRb) sy IANAREO (namana)

Nampidirin'i dadarabe | 29 Feb, 2008


1-    ANDRIAMANITRA no teny voalohany.

2-      Lehibe amiko ny tanindrazana sy ny fianakaviana (manam-bady aman-janaka). Mahafinaritra ahy izay rehetra momba ny malagasy. Tiako ny mampianatra, mizara, mikaroka.

3-      Be nofinofy aho. Ao anaty nofinofiko aho feno zava-marobe. Ny sasany dia inoako fa ho avy. Ny sasany efa tonga. Ny sasany aleo tsy ho tonga !

4-      Ny fialam-boliko ankehitriny : Tononkalo, gitara, mihira sy mamoron-kira.

5-      Maro ny mpihira tiako. Ho singaniko manokana I Mahaleo, Lolo SNT.

6-      Mivezivezy toa firaka atakalo aho izao (10.000km)

7-  
AMEN no teny farany.



Mahafinaritra daholo ny namana rehetra : (ialana tsiny izay tsy voatonona)

Ikalamako (mpanome :-), Pissoa (the malagasy), maintikely (mampahatsiaro ny méditerranée), Lehilahytsyresy (mpiara-mitendry gitara), Sazykely (mpisangisangy), Tsikisariaka (mpiray fikambanana), News2Dago (mpilaza vaovao), Ryana (mpizara tononkalo), Tsiky (mpanafana resaka), Pone (mahalasa saina), Lap (mpandalo), NyEja (Mpiray zava-kanto), Simp (mpiresaka), Hery (mitsiky dia ampy), Soanja (Zaza niara-nitombo), Harilova (mpandinika ny fo), Tokinao (Mpitety tany), Rajiosy (avy any Israely), Helisoa (Mpahay site), Malala13 (namana Marseille), Karako (atsy akaiky atsy), Lalaina (Tsy mbola fantatro hoe iza izy), mpitory (mpizara teny masina), Jogany (Mpitagy), sns.

 (tohiny)

Ny momba ny jenetikan’ny mponina ao Madagasikara :

Nampidirin'i dadarabe | 27 Feb, 2008

Ny antsasaky ny “lignées génétiques” n’ny mponina ao Madagasikara dia avy amin’ny olona tany Bornéo, izay mielanelana 7000km amin’i Madagasikara. Ny antsasany kosa dia avy any amin’ny mponina avy any Afrika atsinanana.

Ny nosy Madagasikara dia 400km mielanelana amin’i Afrika. Misy valim-pikarohana vaovao nivoaka tamin’ny “American Journal of Human Genetics”, nampiseho fa misy mampiavaka manokana ny mponin’I Madagasikara.

Vao voalohany izao no nahafahana namaritra mazava tsara ny fototry ny “lignées génétiques” n’ny mponina Malagasy, sy ny toerana tokony ho niaviany, ary azo heverina ho manakaiky ny marina hoy ny Dr Matthews Hurles ao amin’ny Wellcome Trust Sanger Institute.

Ireo mponina ireo dia fifangaroana 50/50 ny vondrom-pirazanana anankiroa. Tsara ny manambara fa ireo taranaka ireo dia nifangaro nandritra ny taonjato maro hatramin’ny fiatombohan’ny fisian’ny olona teo amin’io nosy io hoy izy. Ireo marika arkeolojika dia maneho fa vao haingana ny fisian’ny mponina tao amin’ny nosy : eo amin’ny 1500 taona.

 (tohiny)

MILA FITIAVANA (eritreritra momba an’i Madagasikara)

Nampidirin'i dadarabe | 19 Feb, 2008


    Miarahaba,

    Tsy ho lava resaka aho fa ny eritreritra manitikitika ny saiko no ambarako. Matetika aho rehefa miresaka aminareo namana, na mifanatrika , na an-telefaonina, na amin’ny internety ka miady hevitra momba ity Madagasikarantsika ity, dia maro ny lohahevitra tonga ao an-tsaiko. Ny tiako ho asongadina manokana satria izay no hitako lehibe indrindra dia ity ambarako manaraka ity.

    « Na inona na inona ataontsika, na inona na inona tanjona heverintsika ho an’i Madagasikara, raha tsy misy ny FITIAVANA NY TANINDRAZANTSIKA dia zava-poana, eny, zava-poana ihany izany ».

    Raha ny mpitondra, ny mpanohitra, ny vahoaka no miasa noho ny fitiavana tanindrazana fa tsy noho ny fitiavan-tena dia izay no fiandohan’ny fandrosoana.
 (tohiny)

ATOLOTRO HO ANAO

Nampidirin'i dadarabe | 14 Feb, 2008

Raha toa aza tsy nisy
Ny teny hoe “fitia”
Dia noforoniko,
Izany ho anao.

 (tohiny)

HOE "TIA"

Nampidirin'i dadarabe | 13 Feb, 2008

Tsy ny teninao hoe tia,
Tsy ny orokao doria,
Tsy ireny angola mamy,
Fa ny fihetsikao ihany.
 (tohiny)

Vaovao RFO hopitalin'ny St Pïerre et Miquelon

Nampidirin'i dadarabe | 11 Feb, 2008

Miarahaba,

Mitondra vaovao fohy fotsiny aho é!
Manao fanatsarana ny hopitaly eo amin'ny fomba fanaovana "prescription" n'ireo fanafody ato amin'ny hopitaly.
Tsy inona izany fa ny fampiasana ny informatika "cristalnet" amin'ny rehe.

Raha mijery ianao dia manomboka amin'ny faha 5:00 (5mn) jerena fa eo no manomboka ilay reportage.

Mazotoa é!

ETO JERENA

DadaRabe

 

DOBODOBO-TAKARIVA !

Nampidirin'i dadarabe | 8 Feb, 2008


Dobodobo-takariva izany foko mihaotrahotra,
Eto an-tampon’ito havoana, lemilemy, vahobahotra !
Mibanjina eny lavitra… efa hila tsy ho hita,
Fa manjavonjavona eny ka tsy tazana avy am-pita.
 (tohiny)

SOA FA MINO IANAO !

Nampidirin'i dadarabe | 5 Feb, 2008

Soa fa mino ianao…

…Fa misy ny fitiavana tsy lefin’ireo taona,
Tsy tototry ny atsanga ;
Tsy ravan’ireo mafy sy ny alina misaona
Na ny olana mitranga.
 (tohiny)

MANINA ANAO !

Nampidirin'i dadarabe | 30 Jan, 2008


Manina anao…

Dia eto manonofy ireny andro lasa…
Niarahana nidola,
Nitosy, nikotaba, nihira sy nikasa,
Niventy angolangola.
 (tohiny)

Adala hoy aho (Tononkalon'i Pissoa)

Nampidirin'i dadarabe | 29 Jan, 2008


Adala hoy aho ny manina,
Adala ... matihanina !
Fa na ny alina mikitroka
Na ny andro mibalika
Na ny hariva misariaka
Dia taratra, mandifotra
Ny masony jambena
Ny maitso - fotsy - mena.
 (tohiny)

HIARAKA HANDRESY !

Nampidirin'i dadarabe | 27 Jan, 2008


Dinidinikay sy I Madagasikara manokana.

DdRb

HIARAKA HANDRESY !

Raha sitrakao…

Hiaraka isika !
Hiroso sy hiampita,
Hisaina sy ho fetsy,
Hiaina sy handresy.
 (tohiny)

NIANDRY ANAO…

Nampidirin'i dadarabe | 24 Jan, 2008


Teo an’aho ka teo niandry sy naniry…
Sy nanantena anao,
Ny masoko nibanjina, nitopy efa impiry,
Fa ho avy anie ianao !

Dia velon-kira irery !
Tsy sasatra nijery !
 (tohiny)

TONONKALO TENY AM-PANDEHANANA TENY (12/01/07)

Nampidirin'i dadarabe | 19 Jan, 2008

Ny avy any Madagasikara mankaty St Pierre (et Miquelon) dia lavi-dalana. Niala tany Dago Alakamisy maraina aho dia voatery nijanona zoma tao Paris. Dia nandalo Montréal, dia niandry avion ora vitsivitsy tao (Montréal-Trudeau). Ny sabotsy alina vao tonga taty (hatsiaka mamirifiry). Dia lasa ny tononkalo....

IANAO EFA NIAMPITA

Ianao efa niampita…
Izaho mbola variana sy revo mitanisa
‘Reo androm-boninkazo,
Namelana omaly, nataoko tsy halazo !
 (tohiny)

TRATRY NY TAONA DAHOLO (15/01/08)

Nampidirin'i dadarabe | 15 Jan, 2008

Miarahaba,

Dia miarahaba antsika mianakavy tratry izao taona vaovao izao na dia tara kely aza. Ho taona ampoky ny soa ho antsika anie ity taona ity ! (tohiny)

VELOMA VETIVETY (28/11/07)

Nampidirin'i dadarabe | 28 Nov, 2007

Miarahaba,

Efa hadivadiva hifarana ity ny taona 2007. Ho avy ny krismasy, ny taom-baovao.
Mametraka veloma vetivety amintsika namana mpisera tsy an-kanavaka eto amin'ny blaogy.com.  (tohiny)

NOELY MAHANTRA

Nampidirin'i dadarabe | 27 Nov, 2007


Efa akaikikaiky ny volana desambra ary efa manangasanga any ho any ny fetin'ny noely.
Mahatsiaro ireo ankizy. Misy ny manana ary mahazo kilalao. Misy kosa ireo tsy mahazo noho ny tsy fananana.  Mahatsiaro azy ireo.

DdRb

NOELY MAHANTRA

Aiza ianao ry neny tiako!
Maro be ireo faniriako
Amin’izao noely izao,
Manantena kilalao.
 (tohiny)

ILAOZAKO NY ATY

Nampidirin'i dadarabe | 25 Nov, 2007


Handeha aho ka mametraka veloma aminao,
Tsy sitrako kanefa izany no efa anjara,
Satria ny lalantsika dia sampanana hatrizao,
Ka tsy ho asiana nenina fa vita toa tantara ;
Tantara fohy dia fohy,
Tantara tsy mitohy,
Niarahana nitondra
Rahona sy onja,
Tsy nasiana dina na fefy ho arofanina,
Fa samy mba nigoka ny mamy tiany hohanina.
 (tohiny)

VAZAHA BOBO

Nampidirin'i dadarabe | 22 Nov, 2007


Tao Betongolo
Indray hariva izay,
Nisy vazaha bobo…
Nampivanaka ahy.
 (tohiny)

FONY IANAO...

Nampidirin'i dadarabe | 16 Nov, 2007

Fony ianao nisambatra tam’ tsikitsikiko...
Sy ireny teny mora, s’ireny bitsibitsiko,
Dia nahafaly anao ny kely mba fisainako...
S’ireny angano tsotra namefy ny fiainako.
 (tohiny)

ANY HO ANY… (Tononkalon'i FeNoTia)

Nampidirin'i dadarabe | 16 Nov, 2007

Any ho any ilay tsy foiko 
Ilay nandrimbona ny foko
Izaho aty toa olom-bery
Lasa olo-manirery
 (tohiny)

ITY EFITRANO ITY

Nampidirin'i dadarabe | 14 Nov, 2007

Ity efitrano ity dia nahalala anay
Sy ny tantaranay ;
Tato no niantomboka ireny tsipi-teny
S’ireny tsiky kely ;
Nirehitra, nirehitra, niredareda be
Nanjary tsy voafehy.
 (tohiny)

MANJA BE NY MASONAO (Valin-tononkalon'i Tiana Valisoa @ tononkalon'i DadaRabe NY MASONAO)

Nampidirin'i dadarabe | 13 Nov, 2007

 (tohiny)

AVELAO AHO HO ZAZA FOTOANA VITSY MONJA …(Tononkalon'i Ramanatantara)

Nampidirin'i dadarabe | 13 Nov, 2007
 (tohiny)

SATRIA... (Valin-tononkalon'i Tsiky @ NAHOANA ANEFA IANAO)

Nampidirin'i dadarabe | 12 Nov, 2007

 (tohiny)

Madiva hifarana ny herinandro (zoma 09/11/07)

Nampidirin'i dadarabe | 9 Nov, 2007

 (tohiny)

ALOKA (Tononkalon'i Pissoa)

Nampidirin'i dadarabe | 8 Nov, 2007
 (tohiny)

FO DITSOKA (Tononkalon'i Tsikisariaka)

Nampidirin'i dadarabe | 7 Nov, 2007

Jereo kely : Site MOSIKAGASY (Malala 13)

Nampidirin'i dadarabe | 7 Nov, 2007

 (tohiny)

MIDIKA FA HOE TIAKO IANAO! (Tononkalon'i Ryana)

Nampidirin'i dadarabe | 6 Nov, 2007
 (tohiny)

RY NDREMATOA !

Nampidirin'i dadarabe | 5 Nov, 2007

 (tohiny)

IRERY FOANA IANAO...

Nampidirin'i dadarabe | 31 Okt, 2007
 (tohiny)

TSY IRERY IANAO...

Nampidirin'i dadarabe | 30 Okt, 2007
 (tohiny)

MAHERY NY FITIAVANA !

Nampidirin'i dadarabe | 28 Okt, 2007
 (tohiny)

‘TY ZAZA ‘TY MADITRA !

Nampidirin'i dadarabe | 24 Okt, 2007
  (tohiny)

SAMBATRA ISIKA !

Nampidirin'i dadarabe | 23 Okt, 2007
 (tohiny)

TARY BOGOSY!

Nampidirin'i dadarabe | 22 Okt, 2007

 (tohiny)

TENA VARA-DATSAKA !

Nampidirin'i dadarabe | 19 Okt, 2007

Aoka ! (Tononkalon'i Ny Eja)

Nampidirin'i dadarabe | 18 Okt, 2007

AMPIANARO !

Nampidirin'i dadarabe | 17 Okt, 2007

 (tohiny)

MISY HONO FITIAVANA ...

Nampidirin'i dadarabe | 16 Okt, 2007

 (tohiny)

ISAORAKO ANAO !

Nampidirin'i dadarabe | 14 Okt, 2007

 (tohiny)

MBOLA TIAKO IANAO !

Nampidirin'i dadarabe | 12 Okt, 2007

 (tohiny)

TANTARAN’NY ANDRO LASA

Nampidirin'i dadarabe | 9 Okt, 2007
 (tohiny)

IZY...

Nampidirin'i dadarabe | 9 Okt, 2007

 (tohiny)

NANKAIZA IRENY NAMANA ?

Nampidirin'i dadarabe | 7 Okt, 2007

 (tohiny)

VELOMA VETIVETY (31/08/07)

Nampidirin'i dadarabe | 31 Aog, 2007

 (tohiny)

VONY TS’ISY LAINGO

Nampidirin'i dadarabe | 30 Aog, 2007
 (tohiny)

MIANTSAMBO (Tononkalon'I Karako)

Nampidirin'i dadarabe | 30 Aog, 2007

AIX

Nampidirin'i dadarabe | 29 Aog, 2007
 (tohiny)

VIZAKY NY MIADY

Nampidirin'i dadarabe | 27 Aog, 2007
 (tohiny)

VOALOHAM-PITIA

Nampidirin'i dadarabe | 18 Aog, 2007
   (tohiny)

L'AMOUR

Nampidirin'i dadarabe | 17 Aog, 2007
 (tohiny)

IANAO NO MAHALALA

Nampidirin'i dadarabe | 16 Aog, 2007
 (tohiny)

FENO ANAO !

Nampidirin'i dadarabe | 14 Aog, 2007
 (tohiny)

ROAPOLO TAONA LASA…

Nampidirin'i dadarabe | 12 Aog, 2007
 (tohiny)

MIASA ! MIASA IHANY !

Nampidirin'i dadarabe | 11 Aog, 2007

 (tohiny)

FONY LASA IANAO…

Nampidirin'i dadarabe | 10 Aog, 2007
 (tohiny)

TENTATIVE DE SUICIDE ???

Nampidirin'i dadarabe | 8 Aog, 2007
   (tohiny)

SARY VAOVAO teto St Pierre (05/08/07)

Nampidirin'i dadarabe | 5 Aog, 2007

 ireo sary  (tohiny)

ILAOZAKO NY ATY

Nampidirin'i dadarabe | 3 Aog, 2007
 (tohiny)

VERY TANY ANKOATRA TANY !

Nampidirin'i dadarabe | 28 Jol, 2007

 (tohiny)

ATAOKO TOY NY HOE…

Nampidirin'i dadarabe | 22 Jol, 2007
 (tohiny)

Hevitra mandalo sabotsy 21/07/07

Nampidirin'i dadarabe | 21 Jol, 2007

St Pierre, sabotsy faha 21 jolay 2007. (tohiny)

…EFA FANTATRAO

Nampidirin'i dadarabe | 21 Jol, 2007
  (tohiny)

ASA SY FITIAVANA

Nampidirin'i dadarabe | 19 Jol, 2007

 (tohiny)

NY ANARANAO RY RAIKO

Nampidirin'i dadarabe | 19 Jol, 2007

 (tohiny)

JEHOVAH ANDRIAMANITRO !

Nampidirin'i dadarabe | 19 Jol, 2007
 (tohiny)

MANORAN-TAKARIVA

Nampidirin'i dadarabe | 19 Jol, 2007

 (tohiny)

TARAFIKO

Nampidirin'i dadarabe | 19 Jol, 2007
 (tohiny)

IANAO ANGAMBA…

Nampidirin'i dadarabe | 17 Jol, 2007
 (tohiny)

TENY MALAGASY !

Nampidirin'i dadarabe | 15 Jol, 2007
 (tohiny)

RAHA FANTATRAO RY NENY…

Nampidirin'i dadarabe | 14 Jol, 2007
 (tohiny)

IZY ANGAMBA ANY…

Nampidirin'i dadarabe | 14 Jol, 2007
 (tohiny)

HATRAMIN'NY NAHALALAKO ANAO...

Nampidirin'i dadarabe | 14 Jol, 2007
 (tohiny)

FINOANA, FANANTENANA, FITIAVANA

Nampidirin'i dadarabe | 13 Jol, 2007
 (tohiny)

Mampandroso anao i DadaRabe !

Nampidirin'i dadarabe | 13 Jol, 2007

Miarahaba anao tonga soa ato amin'ity blaogy ity. Faly foana isika an !

DadaRabe

 

 

1 2 3 ... 26 27 28  Manaraka»