AIX

Nampidirin'i dadarabe | 29 Aog, 2007

Rotsa-kerika manify ny eto Aix,
Ny embona manaikitra,
Mahatsiaro anao ry tany mamy,
Any ho any !
Lavitra tsy hita kanefa ao am-po,
Tsy ho lo ! 

Any i dada sy i neny…fahatsiarovana !
Ka torovana,
Mahatsiaro ny omaly sy ny lasa,
Tsy voasasa

Fa miraondraona ao anaty,

Tsy ho faty ! 

Ilay tanàna nahalehibe sy nitaiza,

Moa mba aiza ?
Ezahiko akimpy ny masoko ahita

Ny tsy hita,
Odiako toy ny hoe eo anilanao
Ny foko mitalaho. 

Rotsa-kerika ho ritra sy ho lany,
Lasan’any !
Ka hifoha an-torimaso aho hijery,
Hitafy hery,
Hiatrika ny ady, tampify sy efa raikitra…
Mangitsy i Aix ! 

DadaRabe

Aix-en-Provence

26/01/04   13 :37