MIANTSAMBO (Tononkalon'I Karako)

Nampidirin'i dadarabe | 30 Aog, 2007

Lasa ny embona, ambiroa,
Midonan-tsento, toro fo !
Ampielezana tokoa...

Mahatsiaro ilay Akany nihaviana,
Ny fahoriana sy ireo fifaliana,
Teo anivon'ireo kolo tiana,
Teo anilan'ny fianakaviana.

Vitsika momba kitay e !
Vorona saraka izahay !
Harivariva an-tany tsy hay...

Vahiny mandriaka eny an'ony e !
Mandranto ihany dia hiserana,
F'ilay tanin'ny tavony...
No hitodiana sy hitoerana.


Karako
2007-06-21