NY VARAVARANKELINAO (Tononkalon'i DOX)

Nampidirin'i dadarabe | 26 Aog, 2009

 

Mandalo eo matetika aho, dia manjary fahazarako
Ny mahita anao mitazana eo am-baravarankely
Fotoana fohy fifaliako, fotoana fohy fahasambarako
Eo ny endrikao mitsiky, mitsikitsiky toa anjely.

Mandalo eo matetika aho dia mitraka hatrany hatrany,
Mino fa hahita anao, dia mahita anao tokoa !
Tsy hita intsony ny hafaliako sy hasambarako amin’izany
Fa manenika fanahy, mahatototra ny fo…

Andray izay fahatairako, nandalo teo aho izao…
Nikatona àry fa nahoana, ny varavarankelinao ?
Nitanondrika ny fo, ny fanahy nangenahena…

Nanohy nandalo ihany aho, tsy nivoha hatramin’izao,
Angamba tsy hivoha intsony, ny varavarankelinao.
Mitanondrika ny fo, manomboka tsy hanantena.

Dox

INDRISY MANTSY RY MALALAKO (Tononkalon’i MIRANTSOA)

Nampidirin'i dadarabe | 20 Aog, 2009



"Indrisy mantsy ry malalako"
Hoy ianao niteny,
"Tsy haiko ny hanakatr'
Ireny anatrao ireny"
Dia nikimpy izy nandroso
Nandao 'lay olon-tiany
Ka nikatona ny pejy,
Narakotra ho fahiny.
 (tohiny)

Adala hoy aho (Tononkalon'i Pissoa)

Nampidirin'i dadarabe | 29 Jan, 2008


Adala hoy aho ny manina,
Adala ... matihanina !
Fa na ny alina mikitroka
Na ny andro mibalika
Na ny hariva misariaka
Dia taratra, mandifotra
Ny masony jambena
Ny maitso - fotsy - mena.
 (tohiny)

ANY HO ANY… (Tononkalon'i FeNoTia)

Nampidirin'i dadarabe | 16 Nov, 2007

Any ho any ilay tsy foiko 
Ilay nandrimbona ny foko
Izaho aty toa olom-bery
Lasa olo-manirery
 (tohiny)

MANJA BE NY MASONAO (Valin-tononkalon'i Tiana Valisoa @ tononkalon'i DadaRabe NY MASONAO)

Nampidirin'i dadarabe | 13 Nov, 2007

 (tohiny)

AVELAO AHO HO ZAZA FOTOANA VITSY MONJA …(Tononkalon'i Ramanatantara)

Nampidirin'i dadarabe | 13 Nov, 2007
 (tohiny)

SATRIA... (Valin-tononkalon'i Tsiky @ NAHOANA ANEFA IANAO)

Nampidirin'i dadarabe | 12 Nov, 2007

 (tohiny)

ALOKA (Tononkalon'i Pissoa)

Nampidirin'i dadarabe | 8 Nov, 2007
 (tohiny)

FO DITSOKA (Tononkalon'i Tsikisariaka)

Nampidirin'i dadarabe | 7 Nov, 2007

Jereo kely : Site MOSIKAGASY (Malala 13)

Nampidirin'i dadarabe | 7 Nov, 2007

 (tohiny)

MIDIKA FA HOE TIAKO IANAO! (Tononkalon'i Ryana)

Nampidirin'i dadarabe | 6 Nov, 2007
 (tohiny)

Aoka ! (Tononkalon'i Ny Eja)

Nampidirin'i dadarabe | 18 Okt, 2007

MIANTSAMBO (Tononkalon'I Karako)

Nampidirin'i dadarabe | 30 Aog, 2007