AVELAO (tononkalon'i Ryana)

Nampidirin'i dadarabe | 22 Aog, 2007

Na dia hitanao fa efa lavo sy efa resy,
Efa sempotra sy hana,
Satria nahilikilikao;
Nahoana re, lazao, no latsa mifanesy,
Miaro didy fandraràna
No hany hirahiranao?

Na dia efa fantatrao fa tomany, ranomaso
No hany sisa mba tavela,
Rehefa lasana ianao;
Nahoana kosa ho’aho ianao no minia mamboly ankaso,
Ka ny mametra, tsy mamela ahy
No hany ambentinteninao?

Na dia azonao an-tsaina fa rotidrotika sy toro
Ny atifoko sy fanahy,
Tsy avelanao mitia;
Nahoana ianao no mandany aina mampahalala ny tontolo,
Miventy fa ianao tsy ho ahy,
Tsy ho malalako, doria?

Angamba kosa ekenao fa tsy voatery mankahala
Rehefa tsy afaka mitia,
Voafetra aho ka dia miononona;
Ka aleo re am’zao, sady ts’isy mahalala
Raha toa ka tanty
…misy fitia iray kobonina!

Ryana
(17/08/07)