MISOKO MORAMORA (Tononkalon'i Piso)

Nampidirin'i dadarabe | 23 Aog, 2007


Misoko moramora,
Tsy re tsaika loatra,
Nifandimby teny ny ora,
Dia indro fa nitraotra.

Nitsiry ilay fitia,
Tsy hay tohaina intsony,
Namelana namony!

Tsy mampahita tory,
Mahalasa saina lava,
Ity fo toa te hitory,
Nefa miahotra ny vava.

Piso
21 Aog 2007