MISY TOERANA (Tononkalo'i Tia Namana)

Nampidirin'i dadarabe | 25 Aog, 2007

Misy toerana iray tiako hitondrana anao,
Tena mifandrindra indrindra amin'ny fitiavanao,
Any misy renirano fanjonoako isan'andro,
Raha vaky kely foana ka misondrotra ny andro.

Any misy dobo izay filomanosako matetika,
Ary ery an-tsisiny eny alaala mikoretika,
Any misy lolo maro izay fijaikiko mazàna,
Fa mamelatrelatra eny raha tanehin –kafanana.

Any misy voninkazo afangaroko ampanga,
Vony dia mavokely, menamena, mangamanga,
Any misy voron-kely velon-tsioka vao maraina,
Any misy rivo-tsoa mba mamelombelona aina.

Any misy tanimbary manodidina ny vohitra :
Isan-taona, isan-taona, sompitra no mitontohitra !
Any misy tranonay, mitafo bozaka matevina,
Ary ao akaikiny ao....
Ao i Dada no milevina .

Any misy.....

TIA NAMANA