VIZAKY NY MIADY

Nampidirin'i dadarabe | 27 Aog, 2007

Indraindray ny tena vizaky ny miady,
Drodroky ny tolona
‘Zay efa tsy omby tratra sy mby ambavahady.
Zary tsy mivonona
Fa miaiky izay ho anjara,
Na ratsy na ho tsara…
Dia io fa mitanondrika tsy sahy mitraka intsony,
Fa miandry izay ho rariny, miandry ny any ambony. 

Indraindray ny tena toa lanaky ny dia,
Fiakarana mideza !
Ny ampitso toa tsy tazana fa maizina ny aty !
Maranitra ny hareza…
Ary toa mandidy,
Tsy misy mba safidy !
Iaretana ny sarotra sy sompatry ny tany !
Ny fo mivakivaky, ny maso toa tomany ! 

Indraindray ny tena mangidingidy vava,
Mafaitra hatrany anaty !
Izay jeren’ny maso toa simba ravarava
Ka hila tsy ho tanty !
Manjavona izay hita,
Ny aina mangatsiaka,
Dia manontany tena hoe ahoana re ny ampitso ?
Mba hisy andro mihiratra sa mbola ho haizim-pito ? 

DadaRabe

St Pierre et Miquelon

16/08/07   16 :21