DIAM-PENINAO (Tononkalon'i Tsiky)

Nampidirin'i dadarabe | 27 Aog, 2007


Diampeninao,

Rangorangon-tsoratsoratra,
Mahasodoka ny fanahy,
Mampandrongatra tsiahy,
Namoha ratra efa nanolatra!

Nefa...

Satry foana ho vakiana,
Mahasondriana, mahavariana
Mitondra vetso, nofinofy
Manamaivana ny rofy

Ho raketiko any ho any.....

Tsiky (Wanadoo)