VOALOHAM-PITIA

Nampidirin'i dadarabe | 18 Aog, 2007
 

Tena safononoka ny fahasambarantsika,

Mirenty voninkazo, miloko ts’hita isa,

Andro lohataona, toa lavitry ny hatsiaka,

Fitiavana mifoha, miaina paradisa…

Aharitra doria !

Antsika ny fitia ! 

Ny endrikao tanora, maraina feno ando,
Ny tsikinao marevaka sy kanto…tena soa !
K’izao tontolo izao tarafin’ny masoandro,
Mihoby sy mihira, mahita antsika roa !
Isika no mikolo !
Antsika ny tontolo ! 

Angano volamena, nataoko tsy hifarana,
Miverina any an-tsaina, toy ny vao omaly,
Eny ! tsy naharitra… Izay no fandaharana ?
Saingy tsy ho adino, tsarovantsika hatrany !
Tantara tsy ho very !
Tantarantsika ireny ! 

DadaRabe

St Pierre et Miquelon

18/08/07     15 :20