FO DITSOKA (Tononkalon'i Tsikisariaka)

Nampidirin'i dadarabe | 7 Nov, 2007

Ilay topimasonao novaliako harikarika
Ny tànanao nisafo nailikiliko iny
Endrika misento sy toa mivaloharika
No indro hahatsiarovako ny lasana fahiny

Ny tsikinao rehetra,  ny teny maminao
Irony tsongotsongo sy bedibedinao
Injao fa mitambolona, manaitra ny tsiahiko
Maniry hahita anao aho nefa koa... tsy sahiko

Ireo olona mpandalo, miserana eo alohako
Ny loko maromaro izay nankafizinao
Im-piry akory moa ireny no hososohako
Sy hila ho tànako aza, heveriko ho ianao

Ny làlana faleha, ny toera-nandalovana
Izay rehetra nisy : ny momba antsika roa
Tantara sisa anio, tavela ho fahatsiarovana
Ny masoko tomany fa ditsoka ny fo

Tsikisariaka
06.03.87 – 21 h 15