ALOKA (Tononkalon'i Pissoa)

Nampidirin'i dadarabe | 8 Nov, 2007

Hatraiza ny lapan'ny fahatsiarovana
Ary aiza ny akanin'ny fanadinoana
No tonga manenika, mahatorovana
Ny akon'ny lasa niravoravoana ?

Moa tsy ampy ny vaikan'ny rivotra anio
Handrava ny embona mbola miritsoka ?
Sa nahery loatra ka zary tadio,
Nampisafoto ny hanina, nanditsoka.

Ny saina va re no minia mitanisa
Ny rima sy gadon'ireo fidolana,
Sa ny fo tsy nandrairan'ny "fampandry adrisa"
No injao fa mitroatra, mandika lalana ?

...

Ny embona nefa : tandindona izany,
"Aloka" ihany raha hita ho namana.
Ny fiainana kosa mihodina hatrany
Ka "aloka" ve no 'ndeha hiantsapazana ?

(Mars 1999)