Madiva hifarana ny herinandro (zoma 09/11/07)

Nampidirin'i dadarabe | 9 Nov, 2007


Miarahaba,

Madiva hifarana ity ry zareo ny herinandro. Na izany aza mba misy ny sabotsy sy ny alahady hakana aina (raha tsy misy miantso fa astreinte foana aho eto).

Nisy ireo nampalahelo toy ny fahalasanan'ireo namana, olon-tsotra, olo-malaza. Maro koa ny nahafinaritra sy ny nahavelom-bolo. Mino aho fa finaritra ho toy izany ny amintsika tsirairay.

Miha-mangatsiaka aty amerika avaratra aty. Ny rivotra mitsoka koa manampy trotraka izany.

Nahafinaritra koa ny tononkalontsika sy ny koranantsika rehetra tato. Na tato amin'ny blaogy dadaRabe na tao amin'ny blaogy.com rehetra. Isaorana antsika rehetra izany.

Amin'ny herinandro aho hampiditra tononkalon'ny namana vitsivitsy. Izay mbola hampiditra dia raisina an-tanan-droa foana an !

'Ndeha hahandro sakafo aho io fa valalanin'ny asa sy fivoriana. Saingy...mahafinaritra foana ireny !

Mirary ho antsika rehetra faran'ny herinandro sambatra. Mirary koa herinandro vaovao henim-pahasoavana sy hombam-pifaliana.

Andriamanitry ny fiadanana anie ho amintsika rehetra ! Amen !

DadaRabe
09/11/07 19:51