SATRIA... (Valin-tononkalon'i Tsiky @ NAHOANA ANEFA IANAO)

Nampidirin'i dadarabe | 12 Nov, 2007


VALINY: Satria....

Satria navelanao ho irery
Ny foko ka dia very
..............
Ny foko nanantena,havana eo anilany
Ilay hanohana azy, ilay tokana sy silany
Kanefa ianao tsy hita fa tany koa dia lasana
Raha nanohy nitia anao aho, namohifo namonjy fasana
 
........................................
Niandry enao kanefa...
Moa va nisy teny iray niantefa
Mba tonga ampototsofiko
Nanamaivana ny rofiko?
..........................................
Fa fahanginana hatrany
No nasetrinao ny antsoko
Dia ny hirifirin’ny tomany
No mba navelanao ho afoko
............................................
Nilaza taminao.....
Fa eny hatramizao...
Mbola ao anatiko ao..
Ny fitiavako anao 

Tsiky s'est inspirée de DadaRabe (NAHOANA ANEFA IANAO ? )
sur Wanadoo.mg
05/07/07 17:23

NAHOANA ANEFA IANAO ?

Nahoana anefa ianao raha nitsotra tamiko
Fa efa lasany any ilay fitiavanao ?
Dia ilay niriako, nandraiko ary mamiko…
Nataoko ho fifaliana, masoandro vaovao.

Niandry foana an’aho, dia nanantena teny,
Dia nanonofy foana fa ho avy anie ianao !
Ianao tsy mba nilaza, ary tsy niteny…
Ny amiko rehetra dia nanantena anao.

Dia teny…teny aho sy ilay hany fitiavako,
Niandry valin-teny…ianao nanao “Andraso !”
Mino aho hoy ianao “f’ianao no ilay firavako”,
Ny foko nanantena anie tsy nino izay ankaso.

Kinanjo ! tampoka eo dia aoka hoy ianao,
Fa hafa hoy ianao no tompon’ny akaniko,
Raha fantatro izany…mba efa nionona aho.
Nahoana anefa ianao raha nitsotra tamiko ?

DadaRabe
St Pierre et Miquelon
03/07/07   15:48