ANY HO ANY… (Tononkalon'i FeNoTia)

Nampidirin'i dadarabe | 16 Nov, 2007

Any ho any ilay tsy foiko 
Ilay nandrimbona ny foko
Izaho aty toa olom-bery
Lasa olo-manirery

Any ho any ilay sakaizako
Ilay tsy foiko sady taizako
Namborahako fitiavana
Teny an-tsaha maitso mavana

Any ho any koa ‘lay tsiky
Tsy adinoiko raha mikimpy
Mibaliaka raha mihiratra
Masoandro hafa iray mamiratra

Izaho aty dia lasa saina
Fa toa reraka ny aina
Mahatsiaro anao hatrany
Ka mandefa ny vinany

Saingy indrisy, tsy ho tafita
Ilay fitiavana tsy ritra
Ilay fitiava-nokinasa
Dia natolotrao ny hafa

FeNoTia
Bujumbura
11/07/2007 20:45