ITY EFITRANO ITY

Nampidirin'i dadarabe | 14 Nov, 2007

Ity efitrano ity dia nahalala anay
Sy ny tantaranay ;
Tato no niantomboka ireny tsipi-teny
S’ireny tsiky kely ;
Nirehitra, nirehitra, niredareda be
Nanjary tsy voafehy.

Ity efitrano ity… nitondra paradisa
Nitosaka tsy ho ritra ;
Niarahanay nanampatra ny mamy sy tantely
Nogohinay irery ;
Ka nampientanentana ny tenanay tontolo…
…Salanitra daholo!

Ity efitrano ity raha toa ka nanan-tsofina
Sy maso nitsinjovana,
Dia afaka nirakitra ireo tsiambaratelo…
“Ny tsiky sy alahelo”,
Angamba nanambara toa vatofehizoro
‘Reo lasa efa nikoro.

Ity efitrano ity… niharitra tsy fidiny
Nahita ireny ngidiny ;
Fony izahay… toa lasa nifanipaka
Fa sempotry ny fitaka ;
Ankehitriny…aloka no sisa mba mangia
‘Ty efitrano ity.

DadaRabe
Marseille
30/04/01 18:58