FONY IANAO...

Nampidirin'i dadarabe | 16 Nov, 2007

Fony ianao nisambatra tam’ tsikitsikiko...
Sy ireny teny mora, s’ireny bitsibitsiko,
Dia nahafaly anao ny kely mba fisainako...
S’ireny angano tsotra namefy ny fiainako.

Fony ianao finaritra tamin’ny fisiako,
Satria hoy ianao : “izay no faniriako !”
Dia nankafizinao ny ora izay nandalo,
Nandrotsirotsy anao ireny tononkalo.

Fony ianao nahaonona tamin’ny fitiavako...
Sy ny fanantenana niritsoka tam-bavako,
Izay nomeko anao nitombo ts’hita isa,
Fa tranobongo kely nanjary paradisa.

Fony ianao nifaly nilaza fa hoe tia,
Nikalo sy niloka ny ampitso sy doria...
Dia sambatra ny fiainako, finaritra ombieny,
Kanefa indrisy indrisy....Omaly akia ireny !
 
DadaRabe
La Charité sur Loire
17/04/06   01:10