MIDIKA FA HOE TIAKO IANAO! (Tononkalon'i Ryana)

Nampidirin'i dadarabe | 6 Nov, 2007

Ny tahotra manenika ahy fa hoe izaho ilaozanao,
Tsy mandry saina, miahiahy fa hoe tsy hahita anao,
Ireny alina mangina manadala ny fisainako,
Tebiteby, fanahiana, mandrakotra ireo marainako,
...Midika fa hoe tiako ianao!

Ny fahazarako mazàna mieritreritra anao,
Nofinofy tsy hay raràna fa miara-miaina izaho sy ianao,
Ny faniriako sesilany, mananten'hofihininao,
Ny fanahiako mavàny fa ny antsika kilalao,
...Midika fa hoe tiako ianao!

Foko midoboka amin-tahotra rehefa injay mahita anao,
Ity famindrako miahotra, tsy sahy manantona anao,
Ny alaheloko anaty, rehefa diso fanantenàna,
'Reo ratra mila tsy ho tanty ataonao ahy tsy nahy mazàna,
...Midika fa hoe tiako ianao!

Ny fahatsapàko fa toa very ny androko talohanao,
Ny finiavako hampiery ny tantarako tsy misy anao,
Fijery lasana vinany, mazàna tsinjoko aminao,
Toa mitory f'any ho any, mbola misy maraina vao,
...Midika fa hoe tiako ianao!

Inoako fa ny fahataperana, indraindray dia fiandohàna,
Ka na ho eo aza fahanterana, ny fitia tsy hay raràna,
Ireo teny mamiko rehetra izay tsy azoko tononina,
Satria ny antsika toa voafetraÂ… fitia mangina sy kobonina,
...Midika fa hoe tiako ianao!

Ryana
(30/09/03)

(Nadika avy tamin'ny "J'en déduis que je t'aime" - Charles AZNAVOUR)