Aoka ! (Tononkalon'i Ny Eja)

Nampidirin'i dadarabe | 18 Okt, 2007
 
Aoka !

Aoka aho  tsy  hiandrandra
'Zany  lanitra tomaratra
Raha mbola maro  ireo  mahantra
Sasa-miandry  anao  fatratra

Aoka koa tsy  ho  be fihavy
Maika hihira fifaliana
Raha mbola maro  ireo  rahavavy 
Miaina anaty  fahoriana

Aoka koa tsy  ho  ahy 
Izany  androm-pivelomako
Raha mbola maro  ireo  fanahy
Miady  mafy  ka itolomako

Fa anao  ange ny  hery 
Eny  anao  ny  fahefana
Ilay  fisiako  dia kely 
Eny  anao  ny  iafarana .

Ny Eja ,
Juin 2007