AMPIANARO !

Nampidirin'i dadarabe | 17 Okt, 2007


Andriamanitra ô !

Ampianaro aho ! hifikitra aminao,
Tsy hitoky tena loatra, tsy ho be lalao,
Mba hihaino tsara ny tena anatrao,
Sy ireo lalàna mahasaro-piaro anao.

Ampianaro aho ! hahay hanetry tena,
Tsy hieboebo na hampiranty harena,
Tsy hirehareha na hampidera sandry,
Tsy hisetrasetra hanitsaka ‘reo zandry.

Ampianaro aho ! tsy hitsiriritra,
Na haka ny tsy ahiko, haniry tsy ho ritra,
Fa hanaiky hihonona, tsy hanitatra ny saiko,
K’izay nomenao ihany, d’ireny no lalaiko.

Ampianaro aho ! mba tsy ho tia tena,
F’izay natolotrao tsy foiko mba nomena,
Giazako tsy hivotsotra, tazoniko ho ahy,
Mba toroy lalana aho fa loza anie ry Ray !

Ampianaro aho ! hahay hisaotra koa,
Ny ratsy sy ny soa ho raisiko avokoa,
Dia hanaiky hifona rehefa mba migafy
Miteniteny foana, fa hoe krizy mafy !

Andriamanitra ô !

DadaRabe
Aix-en-Provence
07/05/03  15 :30