MISY HONO FITIAVANA ...

Nampidirin'i dadarabe | 16 Okt, 2007


Misy hono fitiavana tsy lefin’ireo taona,
Tsy manam-pahataperana !
Fa toy ny loharano koriana eny foana,
Boiboika tsy azo ferana...
Fitiavana ny tiana,
Fitiavana mangina !

Misy hono fitiavana maharitra doria,
Mifikitra tsy miala !
Mitempo tsy miato, mikiry ilay fitia,
Tsy mety mamanala !
Fitiavana anaty,
Fitiavana tsy maty !

Misy hono fitiavana iriana mba hilefa...
Alevina, totofana...
Kanefa miha-mireda vonoina fa tsy hefa,
Toa manam-piarovana !
Fitiavana tsy toro,
Fitiavana mandoro !

DadaRabe
Saint Laurent du Maroni (Guyane)
26/02/07   22:09