ISAORAKO ANAO !

Nampidirin'i dadarabe | 14 Okt, 2007


Ny androko finaritra, mamiratr’aok’izany ;
Ny vazon’ny maraina, mandrotsy , mampifaly ;
Ny ora fihobiana, fandresena, firavoana ;
Ny kanto sy ny meva, mirenty eo anoloana ;
Isaorako Anao !

Ny tenako ho lavo kanefa dia tafarina ;
Ny saiko nihorohoro kanefa dia nilamina ;
Ny aiko saika potraka kanefa tsy nikoro ;
Ny tongotro voafingana kanefa tafajoro ;
Isaorako Anao !

Ny rivotra nifofo, nampandosirinao !
Ny fandrika mivelatra, nampalavirinao !
Ny fahavalo vinitra, nampihavaninao !
Ny namana nilefa, nampanantoninao !
Isaorako Anao !

Ny mafy izay tsy tohako nandrodroka fanahy ;
Ny ngidy tao am-bavako izay nahafanina ahy ;
Ny kapoka namely izay tena nanafay ;
Ny fitsapana henjana mpahazo indraindray ;
Isaorako Anao !

Isaorako anao izay nomenao ahy,
Na ratsy na ny tsara, izay sitrakao ry Ray !
Satria fantatro ihany : Fitiavana ianao !
Ka n’inona manjo, ts’hisalasala aho :
Isaorako Anao !

DadaRabe
CH Pays d’Aix
15/05/03  11 :30