MBOLA TIAKO IANAO !

Nampidirin'i dadarabe | 12 Okt, 2007


Mbola tiako ianao !
Mbola anatiko ao ireny lasantsika,
Ireny hiakanao !
Mihira ny fitia natao tsy hangatsiaka,
Fo midanadana !
Fo feno hafanana !

Mbola hitako eto,
Ny masonao mijery, mazava mibaliaka,
Ianao ilay misento…
Fa ampoka fitia… ny endrikao sariaka,
Afo reda mafy !
Afo tsy ho faty !

Mbola ao an-tsaiko,
Isika miara-dia, tsy manan-kiantefana,
Ho aiza ? toa tsy haiko !
Ianao koa tsy nahalala fa niombon-kadalana,
Toa mpirenireny !
Toa zaza very ireny !

Mbola toy ny omaly,
Ireny andro ireny… nidify ny fotoana !
Ianao toa lavitra any !
Tsy taza-maso intsony, tsy afaka mihaona…
Izaho anie tomany !
Izaho anie te ho any !

Mbola tiako ianao !

DadaRabe
Saint Pierre et Miquelon
12/10/07   20:01