INDRISY MANTSY RY MALALAKO (Tononkalon’i MIRANTSOA)

Nampidirin'i dadarabe | 20 Aog, 2009



"Indrisy mantsy ry malalako"
Hoy ianao niteny,
"Tsy haiko ny hanakatr'
Ireny anatrao ireny"
Dia nikimpy izy nandroso
Nandao 'lay olon-tiany
Ka nikatona ny pejy,
Narakotra ho fahiny.

Dia hitomany izy anio,
Hangina tsy hiteny
Fa takona endrika avokoa
'Zay rehetra nojereny.

Valabalaka ny sainy
Mieritreritra ny ampitsony,
'Zay tsy hita vodilanitra
Amin'izato maso ditsony.

Aiza no tandrifiny?
Iza no anjarany?
Niserana azy ireny
Fa tsy fantatra ny anarany

Ka hitomany izy anio,
Hirakotra alahelo,
Ny ranomaso latsaka …
No hapetrany ho avelo.

MIRANTSOA
Antananarivo