AZA KAROHINAO

Nampidirin'i dadarabe | 3 Aog, 2009



Aza karohinao izay momba ny fiainany,

Na ireo fanaintainany

Na ireo fifaliana afeniny ao am-po,
Tandroviny tokoa
Ka tsy tiany aseho
Sy tsy asiany feo.

Aza anontaniana ireo tsiambaratelo
Izay hitanao mihelo
Ao anaty masony kanefa dia koboniny
Fihininy, tazoniny
Satria izay no sitrany…
Tsy fantatrao ny dikany !

Aza vinaniana ny anton’ireo tsiky
Nihelina dia dify…
Sy ny hevitry ny teny naloakany tsy nahy,
Nateliny indray
Dia nihery tao am-pony…
Tsy ho henonao intsony !

Aza fongarinao ny rakitry ny ela
Tsy foiny ho an-tserasera,
Aza takarinao ny ampitso feno nofy
Iondanany an-toky…
Fa eo izy androany
Dia tiavo fotsiny ihany !

DadaRabe
16/07/09  0 :00