MALAGASY versus MAANYAN (Bornéo, Indonezia)

Nampidirin'i dadarabe | 15 Jol, 2009




Efa niresaka teto momba ny fiavian’ny malagasy aho
. Androany kosa dia hiresaka momba ireo voambolana maro itovizan’ny teny malagasy sy maanyan.


Raha hanao jery todika kely dia tany amin’ny taona 1600 tany ho any i Houtman (hollandais) [1] no nanomboka nahita ny fitovian’ny teny malagasy sy ny teny malais. I Dahl [2] kosa (Norvegiana) dia nanao fikarohana maro momba ny teny malagasy. Isan’izany ny fampitahana ny teny malagasy sy maanyan (1951). Taty aorina dia maro ireo nanao fikarohana momba izany.
Ireo maanyan ireo dia olona monina ao Bornéo (Indonezia) manamorona ny renirano Barito. Raha ny teny ao anatin’ny Aostroneziana dia io teny io no mifanakaiky indrindra amin’ny teny malagasy (Samy ao anatin'ny groupe Barito). 70.000 eo ho eo no isan-dry zareo. Tsy midika izany fa avy amin’ny Maanyan ny teny Malagasy. Midika fotsiny fa iray ny fiavian’izy ireo.

Indreto misy voambolana vitsivitsy entina mampitaha ny teny malagasy sy ny teny maanyan :

Malagasy > Maanyan

Aby, avy, Jiaby = Kahabi
Afero = A’peru
Aina = Aheng
Aiza, aia = Ha’ie
Ala = Alah
Alina = Kamalem
Ambina (miambina) = Amben (Miamben)
Anarana = Ngaran
Anatra = Anat
Andro = Andraw
Aritra = Aretr
Ary = Ari
Atody = Antelui
Aty (foie) = atey
Avo = Abu
Avy = Hawi
Azo (voaray) = Ayuh
Boto = Butuh (=zazalahy)
Dimy = Dime
Dinta, Linta = Linta
Efatra = Epat
Elatra = Elat
Enina = Enem
Etotra = Etut
Fady, faly (tabou) = Palih
Fafa = Papa
Faka = wakat
Falafa = Pa’lapa
Fandisa (Lisa, fanoto) = Lisan
Fanihy = Pa’niki
Fasika = karasik
Faty = Patei
Fe, Ranjo, tongotra = Pehe, Pe ae
Fidy, fily = Filih
Fify (takolaka) = Pipih
Firy = Pire
Fito = Pitu
Fo = liam-puhu
Foitra = Puhit
Folo = Pulu
Fototra = Putut
Foy (atody) = Puy
Foza = Puya
Halatra = ‘Alat
Hariva = Kariwe
Havanana, ankavanana = Kawa
Havia, ankavia = Kawi
Hazo, kakazo = kayo, kakaw
Hodi-kazo = Kudit kayu
Hoditra = Kudit
Hoho = Kuku
Holatra = Ulat
Homana = Kuman
Ianao, anao = hanu
Inona = inun
Iraka = Irak
Isa, iray = isa, erai
Ity, iry = iti, iru
Ivy (rora) = iwey
Iza, ia = Hie
Izaho, aho = Aku
Izy ireo, ireo = Here
Izy, azy = Ie, Hane
Kaikitra = Ngikit
Kiho = Siku, Hiku
Kosoka (mikosoka) = Gosok
L(om)ay (Milay, milomay, mihazakazaka) = Lu’mai(u)
Lafy = Lapeh
Lalana = lalan
Lamaka, tsihy = amak
Lanitra = Langit
Laona = Lehung
Laotra, Tasika (ranomasina) = laut, Tahik
Lava = Lawah
Lavenona = Walenun
Lavitra = Lawit
Lavo = Lawu
Lay = Layag
Lehilahy, lahy = Laki
Lela = Lela
Lo (vorika ?) = buruk
Loha = Ulu’
Lohalika = Ulu ale‘ep
Mafaitra, mafaika = Ma’pait
Mafy = Mapeh
Mahandro = N-andru
Maina = Maen
Mainty = Ma intem
Malalaka = Malapad
Mamo = Mahamoi
Mamono = manuh
Manasidina, manidina, somidina = Sumidin
Mandidy (manetika, mitetika) = Netik
Mandoa (loa) = nua
Mandry, matory = Mandre
Manify, matify = Ma’nipi, Ma’tipi
Manta = Manta
Maso = Mate
Masoandro = Mateandrau
Matavy = Matawe
Matoa, matoy (antitra) = matuah, matueh
Maty = Matey
Mavesatra = Mawe at
Menaka = Minik
Miaina (evoka) = mi-hewuk
Mianjera (lavo) = Lawu
Mihady, mangady = Ngadi
Mihodina, Mihodina (meloka), miholaka = Melok
Mil(om)ano = Langoi
Mitono, tono = Nutung
Mody, Moly = Muli
Moka = Namok
Nana = Nana
Nono = Nunu
Olona = Ulun
Ompa = Humpa
Orana = Uran
Orona = Urung
Rahona = Rakun
Rano = Ranu
Ratsy = ra’at
Ravina = rawen
Rehetra (tontolo) = katuluh
Rivotra = Riwut
Roa = Rueh
Rora = rura
Sivy = Su’ey
Tadiny (sofina) = Ta’lingae
Tady, Taly = Tadi
Tafy (akanjo) = Tape
Takotra = Tangkup
Tana (tazona) = Ta’an
Tanàna = Ta’nahan
Tanana = Tangan
Tandreny (mihaino, mandre) = Talene
Tandroka = Tanrok
Tany = Tane
Tao (manao) = Ta’hu
Taolana = Ta’ulang
Taona = Ta un
Tataka = Tatak
Tavy = Tawe
Tay = Tai
Tehina = Teken
Telo = Telo
Tenona = Tenun
Tetika = Tetek
Tevika = Tebek
Toetra (mitoetra) = Tuet
Tomany, tany = Tu’mangih, Tangih
Tombo = Tumbu
Tompo = Tumpu
Tondro, toro (manondro, manoro) = Tunru
Toto = Tutu
Tototra = Tutup
Tovo  = Tubu
Trano, levo = Lewu
Tsinay = Sana i
Tsioka (rivotra) = Ti’iup
Vahatra (faka) = Wakat
Valo = Balu
Vaovao, vao = Wa’u
Vatana = Watang
Vato = watu
Vava = wawa
Vehivavy, vavy = Wawei
Velona = Belum
Vintana = Wintan
Voa = wua
Voa-nio = Niyu
Vohitra (Tendrombohitra) = Bukit
Volana  (lune, mois) = wulan
Volo = wulu
Vony = wunge
Vorona = wurung
Votsy = Wusi
Vovo = wowo
Zato = Jatuh

[1] Houtman (Frederik de). 1570- 1613. Dictionnaire des langues malaise et malgache (Amsterdam, 1603, in-4.). 

[2] Dahl, Otto Chr., Malgache et Maanjan. Une comparaison linguistique, Oslo, Egede Instituttet, 1951,p.13-16.

[3] Pierre Simon, La langue des ancêtresNy Fitenin-dRazana, une périodisation du malgache de l'origine au XVème siècle. L’Harmattan, 2006, p. 48-53

wikipédia : Langue austronésiennes