VONY TS’ISY LAINGO

Nampidirin'i dadarabe | 30 Aog, 2007

Niherina ny volana, nivadika ny taona,
Efa lasa ela ny andro sy fotoana

Niaraha-nita rano

Tanaty anganongano,

Tanaty nofinofy,
Mateza sy marofy. 

Injany tampotampoka ! ilay rivotra miserana,

Manaitra ati-saina, mandrirotra fitserana,

Fa aiza angaha? Nahoana?

Ezahin-ko tsaroana,

Tadiavin-ko banjinina,
Tsy hita mba fihinina ! 

Fa iny vorona iny, raha lasa lavitra any !
Mba aiza loatra re no tany fiantefany ?
Dia lasalasa saina,
Nankaiza ilay nandraina ?
Oh !vony ts’isy laingo !
Mpametraka baraingo ! 

Nivadika ny taona, niherina ny volana,
Adino ireny mamy, adino koa ireo olana,

Tantara sisa… indrisy !

Tantara sisa… misy !

Kanefa anie fahiny,

Toa tondra-drano izy iny !

 

DadaRabe

La Charité

25/04/05  23:26