VELOMA VETIVETY (31/08/07)

Nampidirin'i dadarabe | 31 Aog, 2007

Miarahaba,

Mametraka ny veloma vetivety amintsika namana rehetra eto. HIvadika kely any Dago aho ka tsy fantatro hoe ahoana no ahitako connexion any.

Rahampitso sabotsy 1er septembre aho no miala eto St Pierre. Mandalo ao Montréal aho dia mijanona kely ao. Mijanona tapakandro ao Paris dia mitodi-doha ho any Dago. Alatsinainy 3 septembre vao tonga any!!!!

Mbola kandra be koa no miandry ao Dago fa dia ho hita eo daholo izany. Tantaraiko ihany amin'ny manaraka.

Mahafinaritra foana ny fiarahana. Izay fa dia mandra-pihaona é!

Samia ho tahian'Andriamanitra !

DadaRabe
St Pierre faha 31 aogositra 2007