SARY SY VAOVAO TETO MADAGASIKARA (septambra 2007)

Nampidirin'i dadarabe | 5 Okt, 2007

SARY TETO DAGO (tsindrio eo)

Dia faly miarahaba,

Nandehandeha teny. Mahafinaritra eto Dago. 


Vao tonga teto Dago dia kotrana be satria nikarakara dossier be dia be.

Nivezivezy tany Toamasina foana. Henjana be ilay lalana fa miolakolaka be. 
Misakafo ao Ambanitsena. Mandalo ao Manjakandriana, Moramanga. Midina an'i Mandraka. Tonga Antsampanana, Barikavily. Tonga any Toamasina ihany ny farany. (Dia miverina indray rehefa avy eo.... :-p)

Variana foana aho rehefa tonga eto Antananarivo na dia nandalo matetika aza aho tao ho ao izay. Mitombo ny mponina. Mihatsara ny tanàna na dia misy aza ny korontana kely. Be harena eto, dia be...fahantrana koa :-(

Tany Antsiranana vetivety fa tsy afa-nijanona ela. Finaritra foana rehefa mandalo an'Antsiranana na dia vetivety ihany aza. Mampahatsiaro tantara maro.

Dia manasa anao hijery ireo sary sy ny tantara miaraka aminy :-)

Izay indray aloha fa dia miarahaba anareo rehetra. (efa niarahaba tetsy ambony fa mamerina in-droa...)

DadaRabe