NANKAIZA IRENY NAMANA ?

Nampidirin'i dadarabe | 7 Okt, 2007


Nankaiza angaha, nankaiza ‘reo namana fahiny,
Niaraka nihira tantaram-pahafahana ?
Dia ireo izay nizarana ny mamy sy mangidy
Ary koa ny nofy sy androm-pahazazana.
Miantso aho nefa indrisy !
Na ako aza tsy misy !

Jereko ireny lanitra sy rahona miavosa,
Toa manafina any ‘reo andro teo aloha,
Dia ny andro feno kanto ka tena tiako loatra,
Nidify sa natory ? Angamba tsy mifoha !
Ny maso no jambena,
Ny saina no mihenahena.

Feno ahitrahitra ny andronay omaly,
Tsinjoviko fa lavitra sy sarotra banjinina,
Nankaiza angaha nankaiza ny andron-kalokalo?
Nankaiza no tsy hita tazonina, fihinina?
Nankaiza no tsy tazana ?
Nankaiza ireny namana ?

DadaRabe
La Charité
27/04/05   15:11