ILAOZAKO NY ATY

Nampidirin'i dadarabe | 25 Nov, 2007


Handeha aho ka mametraka veloma aminao,
Tsy sitrako kanefa izany no efa anjara,
Satria ny lalantsika dia sampanana hatrizao,
Ka tsy ho asiana nenina fa vita toa tantara ;
Tantara fohy dia fohy,
Tantara tsy mitohy,
Niarahana nitondra
Rahona sy onja,
Tsy nasiana dina na fefy ho arofanina,
Fa samy mba nigoka ny mamy tiany hohanina.

Handeha aho nefa kosa tsy hametraka alahelo,
Tsy hitanisa avelo na aloky ny lasa,
Tsy hitodika ny omaly, tsy mba hamelovelo,
Na mbola hamerimberina ‘reo zavatra kinasa ;
Kinasa toa ho lava,
Kinasa nefa rava,
Ka verivery foana,
Natelin’ny fotoana,
Nanjavona hariva toa aloka nitoerana,
Nitsiaka toy ny rano, ka ritra tsy azo ferana.

Handeha aho sao ho difotry ny fotaka mandrevo
Mandady sy mirongatra, mandrakotra ny tena,
Hamatotra ny saina, hanindry, hanandevo,
Hamingana ny tongotra, handroba fandresena ;
Fandresena iriana,
Fandresena tiana,
Hiraraka am’tany,
Toa nofy fotsiny ihany,
Raha toa aho ka variana mifikitra tsy miala,
Mamono ny eritreritra, minia tsy mahalala.

Handeha aho satria fantatro, f’ianao koa efa dify,
Tandindona no sisa mba tazako anoloana,
Fanala sy ny zavona ary rahona manify,
Milaza f’efa nihelina sy niova ny fotoana ;
Fotoana nandalovana,
Fotoana fahatsiarovana,
Niarahana nidola,
Nisangy tsy ho tola,
Kanefa dia nikatona toa varavaram-by,
Mametraka veloma aho f’ilaozako ny aty.

Dadarabe
Marseille
7/07/00  22 :00

Rabe Andriamanarivo Paoly