IRERY FOANA IANAO...

Nampidirin'i dadarabe | 31 Okt, 2007

Irery foana ianao…miatrika ny fiainana,
Na misy aza ny namana azo hitarainana,
Na eo ireo rehareha angoninao am-bata,
Sy sarim-pandresena mavesatra tsy zaka.

Irery foana ianao… miatrika ny ho avy,
Fa tsy afaka hihiaka, hiantso sy hiangavy
Mandritra ny fotoana fa misy mantsy fetra,
Handraisanao faneva na eo ireo rehetra.

Irery foana ianao… mamaky ireny lalana,
Manivatsiva havoana, mitady fahafahana,
Miharitra ny hatsiaka sy ny orana mifafy,
Mibaby izay midona, misedra ny ady mafy.
 
Irery foana ianao… anivon’ny tontolo,
Ny namana mandalo, ny andro koa misolo,
Rehefa ela ny ela dia io fa tsapanao
Fa ts’isy azo hifikirana izao tontolo izao.

Irery foana ianao…kanefa fantatrao
Fa eny an-tananao manomboka hatrizao,
Ny antoky ny ampitso sy taratra vaovao,
Ka aza kivy akory…. na dia irery ianao.

DadaRabe
Marseille
02/01/02  13:53