ALINA RIRININA (Tempête de neige eto St Pierre)

Nampidirin'i dadarabe | 18 Mar, 2008


Tempête de neige manadala eto St Pierre amin'izao ora anoratako izao (0:04). Naka sary kely aho teo saingy tsy afa-mivoaka any ivelany fa dia teo am-baravaran-kely ihany.

 

DdRb

ALINA RIRININA (Tempête de neige eto St Pierre)

Tanatin’iny alina sy rivotra mifofo,
Niainako ny irery,
Vovo-dranomandry mifafy tora-jofo,
Mandrakotra an-kery
Ny voahary manontolo…
…Jenjin-korohoro.

Zavon-tsy hita fara mirongatra an-dongy,
Ny aliko haizim-pito !
Tinaratry ny jiro hironjona, hitrongy,
Toa lavitra ny ampitso !
Fa ny eto ritsodritsoka,
Ny masoko efa ditsoka !

Alina mahatahotra mitafy lamba jaky,
Mihantsy, mila kisa,
Manangatra fanahy, avelon’ny efa maty,
Tsy tojo paradisa ?
Ka eto no manampatra
Fa tsy afa-niala sasatra.

Anatin’ity alina sy rivotra manjofo,
Izaho miteny irery…
Ditso-dranomandry sy rivotra mifofo,
Toa feno mistery !
Tsy hita izay banjinina,
Fa alina ririnina !

DadaRabe
St Pierre et Miquelon
17/03/08  23:50