Tantaran'i ZAKILININA SY DIDINTSOKINA

Nampidirin'i dadarabe | 19 Mar, 2008
Miarahaba,

HO tohin'ny tantara dia nisy koa ireo namana hafa toa an-dry Zakilinina, Didintsokina, Ketamanga, Lezo, sns.

ZAKILININA SY DIDINTSOKINA

Zakilinina sy Didintsokina:
Ny iray matavy, ny iray bebokona,
Tratra nitsindroka voamadilo,
Voasazy nipetraka tam’tsilo!

Zakilinina mpatsaka rano,
Mody nitokona tao an-trano;
Didintsokina mpitoto vary,
Mody nilaza fa hoe marary;

K’hay tao ambadiky ny garazy,
Nanao sarintsarina mariazy,
Ka dia i Doda no hoe “mompera”
I Dondrona kosa no atao saofera;

I Lezo am’zany no mpikabary,
I Borida kosa no mpaka sary,
Ary dia raikitra tena manja,
Ireto ankizy nifaly avanja.

Fa i Ketamanga nangaringarika,
Ka hay nony farany dia voatarika,
I Tenda kosa namely ambosika,
Ka saika kenda raha tsy natosika.

Zakilinina sy Didintsokina,
Vita ny hariva nialàna vonkina,
Vao namikiviky nankany an-trano…
Voakapoka mafy nahita angano!

DadaRabe
Ste Marguerite
31/03/02   00:30