I KOTO SY I KETAKA (Tao an-tsekoly)

Nampidirin'i dadarabe | 17 Mar, 2008

Miarahaba,

Betsaka moa ireo namana tany an-tsekoly. Isan'izany ary Koto, Ketaka, Bozy, Zakilinina, sns. SAmy manana ny tantarany daholo izy ireny ary samy manana ny nofinofiny. Koto sy Ketaka dia isan'ireny tao an-tsekoly.

I KOTO SY I KETAKA (Tao an-tsekoly)

- Haninona ry Koto ianao rehefa lehibe ?
Minisitra no ataoko, be vol’io ramosé !
- Ary ianao ry Ketaka, mba inona no ho atao ?
Ho vadi-na minisitra no tena tiako izao !

- Dia ho minisitr’inona no hankafizinao ?
Ilay mitana vola dia manana birao !
- Dia inona ary re no asa, fandaharana ?
Mindram-bola be f’izay no famokarana !

- Dia aiza ianao no hindrana, moa azonao ambara ?
Any an-dafy ihany fa any be dolara !
- Dia inona no soritra sy tetika fitaratra ?
Manondrotra karama dia mety tsy hangalatra !

- Dia ahoana ireo vahoaka tarihinao ry Koto ?
Atao madio daholo, mitafy, tsy maloto !
- Raha misy tetika hafa, lazao anay anie !
Ho sambatra daholo ny kely sy lehibe !

- Ary ny an’i Ketaka lazao ny sitrakao ?
Miaraka am’i Koto, miankanjo vaovao !
- Dia inon’avy koa ‘reo hitanao fa mety ?
Volamena maro dia fiara be mirenty !

- ‘Ndeha mianatra ry Koto fa aza be vinany !
Tsia ! tsy izany fa politika ihany !
- ‘Ndeha mianatra ry Ketaka raha mba te ho tafita !
Tsia ! tsy izany f’aleo mamboatra bika !

DadaRabe
Marseille Nord
23/07/02  20 :16