IANAREO TELOVAVY

Nampidirin'i dadarabe | 13 Mar, 2008


IZA NO TIAKO ?

Iza no tiako ‘nareo telovavy ?
Ny eo afovoany fa matavitavy !
Iza no manja sy mahafatifaty ?
‘Zay be takolaka no iriako mafy !

Iza no antsoiko fa tonga ny fety ?
I Ketamanga fa izy vaventy !
Iza no omeko an’ilay mamikely ?
I Bozy bota fa zanak’anjely !

Iza no namako manarak’ahy ?
Izay botrabotra sy tsara fanahy !
Iza no hiondanako raha vizan’aho ?
Malemilemy ho’aho ny sandrin’i Bao !

Dia inona koa ‘ty mahazo an’i Zery ?
Ny omby mahia hono ts’isy mpijery !
Dia inona indray ‘ty manjò an’i Kala ?
Nilaozan’Ikoto aho ka ho lasa adala !

Raha olon’iray no tsy tia re ry Kala !
Hitotoana koba dia be ny malala !
Fa ny olona hono raha mahazo aina !
Dia hoe nampiadanin’ilay sombinaina !

DadaRabe
Marseille
03/08/02  13 :40