TANTARAN’NY ANDRO LASA

Nampidirin'i dadarabe | 9 Okt, 2007

Avadiko ireo pejy, tantaran’ny omaly…
Fitia natao tsy ho ritra,
Jereko ireny sary, vakiako ireny diary…
Toa mavomavo sisa !
Tantara hafahafa !
Tantaran’ny andro lasa !

Dia lasa ny vinany sy embona tsy haiko,
Angamba tsy fitia !
Mifandrirodrirotra ny ao anaty saiko
Ka verivery dia…
Nisy ve izany ?
Sa nofy fotsiny ihany ?

Fitiavana fahiny toa afo tsy ho faty,
Nananika ny lanitra !
Nirehitra aok’izany, nijoalajoala mafy !
Toa tsy ho lany manitra !
Fa tokana sy iray…
Fitia mandrakizay !

Niriotra hadalana, niroso am-pahajambana,
Tsambikina dia lasa…
Tsy nisy nahasakana fa ony migodana,
Riana sasasasa !
Kinanjo singam-bolo…
Dia rodana daholo !

Dia pejy vitsy sisa, tantaran’ny omaly…
Fitiavana efa ritra,
Narakitry ny diary, mipetraka ho sary…
Nanjary pitrapitra !
Tantara efa voasasa...
Tantaran’ny andro lasa !


DadaRabe
St Pierre et Miquelon
07/10/07 12:24