AZA AMPIJALIANA NY TENINTSIKA (DdRb)

Nampidirin'i dadarabe | 8 Apr, 2008

Miarahaba,

Ity misy lalàna vitsy momba ny teny malagasy nalefan'ny reniko ho ahy (Mme RABE Paule, mpampianatra malagasy) efa ho taona maromaro izay. (lavalava ihany an!) :

DdRb

Règle 1: Raha miantomboka voyelle, mianjera ny "o" @ ho sy no
- Raha renisoratra teny iray.
Oh tenenina - hotenenina - notenenina
Règle 2: Tsy mitambatra ny "ho" raha miaraka amin'ny fototeny.
Ho re nefa horenesina
Ho tonga  notongavina

Teny miantomboka @ H
Aorian'ny: mba, tokony, tia, te, ta, afaka, madiva, ndeha, aoka
oh: tokony horaisina
- Rehefa tsy hay raha misy h na tsia dia atao fanakambanan-teny na asiana "an-" eo alohany. Raha heno ny "k" dia miantomboka amin'ny "h" ny teny.
an-kandrina -> handrina
lalan-kitan- -> hita

- Ny fototeny ny teny misy ng dia misy "h" mangatsiaka -> hatsiaka

- Ny anarana rehetra any amin'ny adj dia misy "h"
mena -> hamena, mazava -> hazava

Mikambana sa tsia
- Maha:
Raha ny heviny hoe "mahatonga ho" dia mikambana -> mihatsara
Raha manavaka hevitra teny roa: Maha-olona

- Ny tovana rehetra mikambana amin'ny fototeny: mihatsara sns

- Samy hafa manao ahoana sns.

Raha eo aloha mijanona ho teny 2 samy hafa ny fiteny, nefa fiteny samihafa.

Eo amin'ny teny milaza toerana misy:
an oh: an-tsekoly. afara, Antsiranana

- Fiforonan'ny verbe circ: mahandro - miala ny an, misy tovana -ana -> ahandroana.

Matoantenin'ny iharana: Passif
FT+ina na +ana -> vakina - totoina - raraka -> k lasa h: rarahina
ilaina nefa hotazana -> "z" fanatsaram-peo.

Toa sy toy
Toy ny: toa an'i, toa olona sns.
Noho: eo no ho eo, folo taona no ho miakatra, Maro no ho tonga noho ny firaisan-kina.
Lehibe noho ilay nasaina - Raha milaza fotoana: nony tonga izy, Izy no teo.
Raha misy ny aoriana: Noho ny - Tahaka ny - ohatra ny - Momba ny -> Pronom pers: izaho, ianao izy, izahay, ianareo.

FITSIPI-PANORATANA
Tadidio: Ezaka, anikeheo, te-hilalao

Fanakambanan-teny raha renisoratra ny teny faharoa.

I-KA-TRA
1) Miala ny Ka, Tra, soloina tsipi-panohizana,
satroka-zaza -> satro-jaza sns.
(h ->k, s ->ts, l ->d, v ->b, r ->dr na dh, z ->j, f ->p)

2) Raha misy "ny" aoriana, ka, tra -> ky try satroky ny zaza.

3) Raha anaran'olona satroky Rakoto

II-NA ny teny voalohany.
Raha miantomboka @ "ni" na "n" ny teny faharoa: mianjera ny "na" oh: tavia-miaramila.

Raha @ litera hafa dia "a" mianjera soloina "-" oh tanan-jaza, haizim-pito

III-Raha tsy miafara amin'ny KA, TRA, NA ampiana "na" dia toy ny eo ambony taniva vary -> tanim-bary.
(Tanimbary Milaza zavatra concret mitambatra)

Raha zanatsoratra ny teny faharoa: na misy "ny"

1) Raha mpanao ny asa na tompon-javatra ihany no misy faingo mihantona.
oh: hevitr'olona, lanjain'ny vahoaka.

2) Raha adj ny 2ème na COD dia mijanonaa ho teny roa
oh: varotra olona, zaza alika

Ny tsika dia manaraka io koa: tanantsika, lobatsika.

Manaraka io koa ny teny verindroa
oh: petraka -> mipetrapetraka.

Mari-potoana:
Ny matoanteny (verbe) miamtomboka amin'ny "m" amin'ny ankehitriny (présent) dia tsy afaka miantomboka amin'ny zana-tsoratra fa : misoma, hisoma, nisoma: m/h/n

Ankoatra izay: zéro/no/ho. ilalaovaha -> h(o)ilalaovana -> hilalaovana
n(o)ilalaovana -> nilalaovana