MISY LASA BIBY...

Nampidirin'i dadarabe | 23 Sep, 2008

Tena maro izay zavatra nampalahelo hita sy heno tetsy sy troa izay tao ho ao. Ny farany teo dia ilay zazavavy kely hita tery Anjanahary. Tena mahavaky fo sy mampiteny hoe "Misy tena efa lasa biby ve ny olona é!"

MISY LASA BIBY…

Misy lasa biby
Ary mampijaly, ireo tsy manan-tsiny,
Mamono tsy an-kifidy,
Ka ny maha-olona, ny azy efa nariany
Ka zary hadalana,
Miampy fahotana,
No hita miparitaka mameno ny tanàna,
Be ‘reo olon-dratsy, manitsaka lalàna !

Misy maty fo
Sy efa ts’isy antra, maty fahavelona
Sy afaka atidoha,
Faly mampahory ary koa mandevona
‘Reo velona miampify,
Mikatrikatri-nify,
Manjepizepy maso fa sempotry ny tahotra,
Fa sendra ny atambo, ny saina tena vahotra !

Misy lasa adala
Noho ny fitiavam-bola, fitiavana hidola,
Ka efa tsy mahalala…
Ny rariny sy hitsiny ny azy efa tola,
Devoly no hivavahany !
Ny ratsy no tadiaviny !
Izao ny fiaraha-monina taraina sy efa kivy,
Tsy hita izay atao…fa be no lasa biby !

DadaRabe
17/08/08  22 :16