HENOKO INDRAY !

Nampidirin'i dadarabe | 27 Sep, 2008



HENOKO INDRAY !



Henoko indray ilay fitiavako iny,
Fitiavako fahiny,
Fa tsikinao nandalo iray minitra monja…
Dia indro fa nanonja,
Ilay hiaka ato anaty
Nataoko ho efa maty !

Henoko indray ilay doboky ny foko,
Ilay tanako toloko,
Miandry ilay anao hitantana ny ahy,
Izaho anie tsy sahy !
Fa tamin’ireny mantsy !
Zaza nifampihantsy.

Henoko indray ilay hafanana kely,
Tsy haiko velively !
Nananika ny lohako sy saiko manontolo,
Nofohaziny daholo !
Fa toy ny afo-mololo
Nirehitra nandoro !

Henoko indray kanefa…aoka ho any !
Mandalo fotsiny ihany !
Ny lalantsika akia, efa nisampana ela !
Tsy nisy mba tavela
F’ilay fitiavana iny…
Natelin’ny fahiny !

DadaRabe
27/08/08