AVIA ETO ANILAKO !

Nampidirin'i dadarabe | 30 Sep, 2008



AVIA ETO ANILAKO !



Ry tiako,

Eny mety ho henjana ny fiainantsika akia !
Misy ny tsy rariny, misy ny tsy tia,
Ny lalana diavina tsy mora foana koa,
Ireny faniriana dia maro no tsy to !

Tsy mora koa angamba ny miara-dalana amiko !
Fiakarana, fidinana, tsy lapa ny anie akaniko !
Fa ny hanina anio aza tadiavintsika androany…
Ireny zava-tiana, toa nofinofy hatrany !

Indraindray akia tomany no kalo mba hiraina,
Niatrehina ireo ora sy andro vao maraina,
Fa maro ireo mafaitra, vangongo ireny ngidy…
Toa tongatonga ho azy, mandratra tsy safidy !

Kanefa eo ianao, mijoro, tsy mirona,
Mifampitantana amiko, miandry izay midona,
Vonona hiatrika ny ampitso fanantena,
Mifofotra, mikikitra, mitraka, tsy mivena !

Tsy ny orana mirotsaka no hahakivy antsika !
Tsy ny rotsa-panala, na ny andro mangatsiaka !
Kanefa aza tsiny, raha mafy akia ny androany !
Avia eto anilako… ry tiako indrindra izany !

DadaRabe
29/08/08  21 :41