SAMBATRA !

Nampidirin'i dadarabe | 26 Aog, 2008


SAMBATRA !

Sambatra ny fiainako fa manana anao,
Tsy miova, tsy mandao…
Na andro lohataona, na alina ririnina,
Ianao azoko iankinana,
Hitantana ny dia,
Ety an-tany ety !

Sambatra ny aiko fa eo akaikinao,
Tsy hisy hankalao,
Fa efa safononoka sy heni-pifaliana
Sy feno fitokiana…
Satry foana aho ho eo,
Ny foko tsy ho leo !

Sambatra ny saiko mihaino foana anao,
Ny teny maminao…
Ireny no sakafo iainako isan’andro,
Mamono ny masoandro,
Ianao foana hatrany…
Omaly, ampitso, androany !

DadaRabe
05/06/08  21 :10