MITANDREMA ISIKA !

Nampidirin'i dadarabe | 16 Aog, 2008


MITANDREMA ISIKA !

Mitandrema isika !
Ny tany diavintsika anie ka feno fikafika,
Feno fitapitaka...
Dia fotaka mandrevo sy loza miparitaka.

Mitandrema indry !
Fa sarotra ny lalana ary be ireo mody tia...
Mandangolago fatratra,
Kanefa dia mamingana, mamarina any an-tatatra.

Mitandrema letsy !
Fa misy ireo mitetika mamorona hevi-petsy
Dia mody tena namana,
Kanefa ny ao an-tsainy : handroba izay an-tanana !

Mitandrema foana !
Fa lasa ireny ora, mandroso ny fotoana...
Aza mitaredretra !
Fa ndrao dia tara loatra ka eo vao manetsetra !

Mitandrema isika !

DadaRabe
La Charité
18/12/06   08:03