DELIRA !

Nampidirin'i dadarabe | 28 Okt, 2008


DELIRA !


Nitabataba mafy izy hoe « misy mpaka fo ! »
Dia misy mpihinan’olona, dia misy matoatoa,
Mahakoditra daholo, hono, izay hita teny ho eny,
Hatramin’ny sarivato manjary toa miteny !

Dia misy koa bobel, dia misy kalanoro,
Ka be ny olombelona, voakaikitra sy toro !
Ireny ngahibesola sy ireny trimobe,
Manenjika, mihinana ny ankizy marobe.

Ny angatra sy avelo, hono, feno ny tanàna !
Ireo kakabemaso manenjika madama !
Dia misy mpaka rà, dia misy mpalak’aty,
Loza ! Loza ity ! Vonjeo fa mahafaty !

Noteneniko izy hoe aoka izay ry akama !
Andana aloha matory raha miaka-maripana !
Tsia ! Tsia ! Hoy izy  « mivoha ny afobe ! »
Voatery notsindroniko izy fa delira be !

DadaRabe

27/09/08