MANIMANINA AHO ZAREO !

Nampidirin'i dadarabe | 24 Okt, 2008


MANIMANINA AHO ZAREO !



Manimanina aho zareo !
Iny tanindrazako iny !
Ka ny foko no toreo,
Mitanisa ny fahiny…
‘Njao mitazana iny lanitra sy kintana eny ambony,
Sentosento anie izany ! Ny alaheloko tsy tony !

Manimanina an’i dada
Sy manembona an’i neny,
Hany ka mibadabada,
Mitanondrika irery…
Mafy anie ny lavi-kavana, tsy afaka mihaona !
Ireo volana misosa, mifandimby koa ny taona !

Manimanina aho, indrisy !
Tsy mba mety manadino
Ireo lasa sy ireo nisy,
Ny ao am-poko anefa mino…
Fa ho avy ny andro mamy, hitsaharan’ny ankaso,
Ary ho tosa-pifaliana sy ho ritra ranomaso !

DadaRabe
24/09/08