IRENY TONONKALO !

Nampidirin'i dadarabe | 19 Okt, 2008


IRENY TONONKALO !

Ireny tononkalo
Dia antsa anaty fo,
Sy vazo soa mandalo
Manenika ny loha !

Dia hiran'ny fitia !
Koriana tsy ho tana,
Mikalo ny doria,
Mandrotsy, manafana !

Dia ando vao maraina !
Mamonto koa ny tany,
Manokatra ny saina,
Hiaina andro mamy.

Dia tsantan'ny voahary !
Mpitondra hafaliana !
Manala ny maharary,
Mpizara fitsikiana !

Dia hiaka ahatsiarovana !
'Reo andro efa dify,
Sy anaty izay torovana
Fa ranomaso ampify.

Dia ainga fiderana !
Sy vavaka ho an'ny maro,
Mitondra fahazavana...
…Ireny tononkalo !

DadaRabe
18/09/08