ZOKIBE RAOUL !

Nampidirin'i dadarabe | 4 Sep, 2010

Lasa ianao r’ingahy Raoul…
…Nandao ny fokonolona
Ary ‘ndeha hitety indray,
Ilay habakabaka milay !

Nefa hotsarovana eto,
Ny hira manja tsy an-kisento :
Toy ilay « somambisamby »
Hirahiram-pianakavy !

Ilay « rivotra mandalo »
Nahababo ny olo-maro !
‘Lay « voankazo voarara »
Izay mipetraka ho tantara !

Ao koa ilay « ampindramo »
Vazovazo mampikalo,
Tsaroko etoana ny « Hay hay »
Efa noredoninay !

Maro be tsy ho tanisaiko
Ireo vazonao mibaiko
Sy mitarika ny tolona…
Ho tsaroana  ireo… Raoul !

Ka manao veloma aho !
Tsy handao akory ianao
Fa ireo hiranao hitoetra….
Ao am-ponay rehetra…rehetra !

DadaRabe
03/09/10 23:33