TARY BOGOSY!

Nampidirin'i dadarabe | 22 Okt, 2007


Gaga i nedala fa hay mafy ady,
Ny tary bôgôsy sy manambady,
Betsaka loatra ny mpanadala,
Kanefa ny fony mangarahara.

Naleony nijanona tao an-trano,
Kivy izy, leon’ny anganongano,
Sy ireo tsipi-tolaka misahotaka,
Be ireny resaka tena kobaka.

Ny kopa-damba dia tena loza!
Mandrangorango toy ‘reny foza,
Kanefa ny masony tsy nijery,
Izy niroso nandeha irery.

Izy kanefa dia tokam-po,
Ka nisafidy ny hankato,
Ilay malalany tena tiany,
Sitrany sady koa faniriany.

Androany nedala efa tony saina,
Fa io eo akaiky ‘lay sombinaina,
Ka falifaly izy fa tsy ketraka,
Tary bôgôsy mahay mipetraka!

DadaRabe
Marseille
09/03/02   15:23