SAMBATRA ISIKA !

Nampidirin'i dadarabe | 23 Okt, 2007

Sambatra isika !
Fa nomena hery, fa nomena tany
Sy herim-po masiaka,
Ho entina mijoro, hanorina akany,
Hery tena vaika !
Hery feno paika !

Sambatra isika !
Vonona hatrany, hisedra mahamay…
Tafika midiaka,
Tsy miverin-dalana, ary tena sahy…
Handresy tsy himalo !
Handresy fahavalo !

Sambatra isika !
Fa tsy miaky ho lavo, ary tsy ho kivy
Na andro mangatsiaka,
Na andro gaina be, na efa tena ngidy…
Tsy manaiky ahetry !
Tsy manaiky resy !

Sambatra isika !
Fa tena olon’afaka, hary saina koa,
Tsy gaigy mikiakiaka !
Fa olona mandroso sy efa tafafoha…
Handroba tsy malaina !
Handroba ny maraina !

Sambatra isika !

DadaRabe
St Pierre et Miquelon
20/10/07 10 :12