‘TY ZAZA ‘TY MADITRA !

Nampidirin'i dadarabe | 24 Okt, 2007
 
‘Ty zaza ’ty maditra !

Fa taratasy fotsy
Nataoko pistily,
Alefa ho an-dRafotsy
Fenoiny pensily.

Rindrina madio
Vao nosasako androany,
Tsy ela toa tadio…
Dian-tongotra avy hatrany.

Vazy novidiako,
Hasiana raozy gasy,
Mba tena nokajiako,
Parasaka sy vaky.

Pataloha voapasoka
Sy tena velon-drirana,
Nataony vasobasoka,
Nikoritra, nivilana.

Varavaran-kazo,
Zato taona angamba !
Nianjera toa nalazo,
Tsy haiko izay nitranga.

Izaho nahita tory
Sy efa saika renoka,
Nasiany voanjobory
Tam-bavako, voateliko.

Kanefa vao tenenina !
Mipitrapitra maso
Izaho  no toa manenina,
Toa hoe nanao ankaso.

‘Ty zaza ’ty maditra !

Dadarabe
Marseille
26/06/00 21 :15